TARANJA TSIPY KANETIBE: Mbola toeran’ny kaominina no hilalaovana hatreto.

Nanamarika ny tantaran’i Madagasikara fa indrindra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe ny fandresena azon’ny ekipam-pirenena Malagasy. Na dia nandalo fanovana maro aza ny fisafidianana  ny ekipa nasionaly, ny zava-dehibe  dia ny nandrombahana  ny tompondaka eran-tany. Mankasitraka azy efatra mirahalahy ny Solombavambahoaka Stanislas RANDRIANARISOA sady mpankafy ny taranja tsipy kanetibe.

“Tokony hampihetsika ny hambom-pon’ny fitondram-panjakana sy ny ministera voakasika iny fandresena iny”. Hatramin’izao aloha dia mbola toerana nomen’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra no hilalaovan’ny fikambanan’ny mpilalao tsipy kanetibe. Nanao antso avo  ny tenany fa tokony hanamboarana kianja mahaleo tena izy ireo.