Taranja hay ady pancrace : Efa manomboka mahazo vahana eto.

 

Joharinirina Wilson

Efa mahaliana ny tanora ankehitriny ny « combat libre » « pancrace » na dia mahery setra tanteraka aza. Taranja iray mitovitovy amin’ny moraingy saingy ny fitsipi-dalao no samihafa, toy ny tsy mahazo mangarom- bava sy maso. Hisy ny hetsika mahakasika izany atao eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina amin’ny 16 Mey 2015 ho avy izao. Hetsika voalohany eto Madagasikara izay karakarain’ny  W Click. MPC na  « Madagascar Pancrace Challenge » no nampitondraina ity lalao ity. Marihina fa avy ao amin’ny FIHEZAMA no mpikatroka amin’ity hetsika ity ary lalao 15 no hotanterihina. Ankoatra izay, hisy ny fifantenana ireo mpitsara amin’io fotoana io ary 10 eo no hitsara amin’izany araka ny nambaran’ny mpikarakara Joharinirina Wilson. Efa hamidy teny amin’ny Nect’art Ankadifotsy ny tapakila ka 7000 Ariary ny vidiny. Hivoha amin’ny 2 ora ny vavahady fa ny lalao kosa amin’ny 5 ora hariva no hanomboka. Nampanantena ny mpikarakara fa ao antoka ny fandriampahelamana mandritra ny fotoana.

Lynda A.