TANALAHY ETO MADAGASIKARA: Mitana anjara asa lehibe amin’ny firindran’ny fiainan’olombelona, sy ny rohivoary ary ny toekarena

Manana karazana tanalahy be indrindra manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. 234 ny karazana tanalahy manerantany  ka tsy hita afa-tsy eto amintsika ny 42 % amin’izany (98 isa). Tandindomin-doza anefa ny 50 % amin’izy ireo, araka ny tombana farany. “Anisany tsindry mihatra amin’ireo tanalahy eto amintsika ny fahasimban’ny ala izay toeram-ponenany, ny fanondranana antsokosoko. Eo ihany koa ny famonoana azy noho ny tsy fiheverana fa manan-danja”, hoy i Dr Andriantsimanarilafy Rodlis Raphali, manam-pahaizana manokana  momba ny tanalahy sady  mpandrindra ny fandaharan’asa Madagasikara Voakajy. Nambarany fa mitana anjara asa lehibe amin’ny rohivoahary sy ny fiainan’olombelona ary toekarena ny  tanalahy. “ Ao anatin’ny sokajim-biby mandady ny tanalahy. Bibikely no sakafony.  Manampy amin’ny  fampirindrana ny habetsahan’ny bibikely izy.  Raha ohatra ka maty ny tanalahy rehetra dia misy ny firongatry ny bibikely. Ohatra, tany Mexique, nisy ny fahafatesana sahona. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niakatra  tahan’ny tazomoka taorian’ny faharinganan’ny sahona betsaka. Raha ringana ny tanalahy dia mety hirongatra ny aretina avy amin’ny bibikely”, hoy hatrany i Dr  Andriantsimanarilafy Rodlis Raphali.

Fanondranana tanalahy any ivelany

Anisany mampidi-bola ihany koa ny tanalahy satria ankoatra ny varika dia biby  faharoa mahasarika mpizahantany be indrindra eto Madagasikara izy. Manana karazana tanalahy azo ahondrana ihany koa i Madagasikara, araka ny lisitra sy fetra voafaritra ao anatin’ny fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena ho an’ny karazam-biby sy zava-maniry atahorana ho lany tamingana (CITES).  “Asa iarahan’ny mpikaroka sy ny ministera tomponandraikitra no mamaritra hoe firy marina no azo ahondrana.  Miankina voka-pikarohana no ahafantarana izany fa tsy anjaran’ny ministera irery no manapaka satria fananana iombonana, fananan’ny Malagasy rehetra ary  mba hiteraka tombontsoa ho an’ny Malagasy   rehetra ny fananana azy”, hoy i Dr Andriantsimanarilafy Rodlis. Nambarany fa mahagaga ny vahiny ny  fahafahan’ny tanalahy miova loko sy ny fahaizany mampiasa ny lelany maka bibikely. “Anisany mpividy ny tanalahy avy aty amintsika i Amerika, Thailande,  Asie, Europe”, hoy izy nanazava ireo firenena anondranana ny tanalahy avy eto Madagasikara. Atao fampirantiana anaty valan-javaboahary ho an’ireo tsy manana fahafahana mankaty Madagasikara no hividianana azy. Misy olon-tsotra ihany koa mividy azy ho atao namana (animaux de compagnie), araka ny fanazavany.

Festival Caméléon

Ho fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tanalahy dia mikarakara hetsika antsoina hoe “Festival Caméléo” ny ONG Caméléon. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa ny hetsika. Ho tanterahina ny 13 ka hatramin’ny 15 jona 2025, any Amboasary Atsimo, faritra Anosy ny andiany voalohany. Amin’ny maha hetsika ara-tontolo iainana ny festival Caméléon dia hampiavaka azy  fitsidihana valanjavaboharin’i Berenty sy fitsangatsanganana any amin’ny farihy Anony (Lakanony na mendrika antsoina hoe #Dubaï d’Amboasary) izay ahafahana manandrana  ny “angera”, karazan-trondro tsy hita afa-tsy ao Amboasary Atsimo. Hameno ny fandaharam-potoana mandritra ny telo andro ihany koa ny ara-kolontsaina, toy ny fifaninanana momba ny randrana, fomba fitafy Ntandroy sy Ntanosy ary fampahafantarana ny fomba amam-panao toy ny fampirafesana, fomba famelomana afo  taloha amin’ny alalan’ny hazo (foserana) . “Asongadina amin’io fotoana io ny tomaka na fomba fandrahoana voamanga na mangahazo taloha. Tsy mila vilany na afo  fa mangady lavaka dia  arotsaka ao ny voamanga na mahagahazo ary totofana avy eo ”, hoy i Managneto Olivier, Mpandrindra ny ONG Caméléon, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, ny 12 febroary 2025, teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina.  Tsy diso anjara ny tanora fa misokatra ho azy ireo ny fifananinana fananganana tetikasa momba fiovan’ny teotrandro , fiarovana ny tanalahy izay hahazoana tohana. Hanohanana, tsy fandriampahalemana no voaresaka matetika momba ny  faritra Atsimo.

Nambaran’i  Managneto Olivier fa manana harena tsy voatanisa i Amboasary Atsimo fa lavitra andriana ary  misintona mpizahatany raha hay ny mamoaka ny maha izy azy.

Lynda A.