TAFIA: An-jatony ireo kilonga nozaraina arendrina.

Nahazo ny anjara arendrina ihany koa ireo ankizy mipetraka ao Antanetibe, kaominina Bongatsara satria nitondra izay voatsirambin’ny tanany ny  TAFIA na “Tanora Antoky ny Fampandrosoana Ifotony Avarandrano. Sampana iray  mivondrona ao anatin’ny fikambanana AS TAFIM  izy ity. Ankizy an-jatony izay sahanin’ny fikambanana “Kely mavitrika” no nozaraina  arendrina. Tokony hifaly sy hifety ihany koa ny ankizy rehetra ary anisan’izany ireo monina eny ambonivohitra, hoy ny Filohan’ny fikambanana, Fulgence RAMAMONJISOA

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena Malagasy sy ny faha-56 ny foloalindahy izao hetsika izao. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa izany androany.