SYNODAM-PARITANY ANDREFANA FJKM: Feno 20 taona ny fikambanan’ny diakona sy loholona.

Feno roapolo taona ny firasain’ny Diakona  sy ny Loholona  ao amin’ny synodam-paritany Andrefana an’ny fiangonana ny FJKM. Ho fanamarihana ny  fankalazana, hotanterahina  eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 20 may 2017 ho avy izao ny  fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra   an’Andriamanitra. “Ho feno tokoa ny fandaharam-potoana mandritra ny  tontolo androm-pankalazana  satria aorian’ny fotoam-pivavahana, hisy ny fiaraha-misakafo”, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny komitim-pankalazana, Andriatahiana RAKOTONDRALAMBO.  Rindran-kira ara-pilazantsara iarahana amin’ny tarika AMPIFITIA, Laurent RAKOTOMAMONJY sy maro hafa no famenon’izany tapany hariva.

Ny famonjena  fanahin’olona amin’ny alalan’ny tafika Masina sy fandraisana anjara amin’ny fanaovana ivon-toerana ho an’ny fikambanana no atao tsangambato faha-20 taona. Nambaran’ny Mpitandrina  Zara Zaka, mpanolontsain’ny fikambanana fa ny fanohizana ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo misionera nampiditra ny fivavahana kristianina  teto Madagasikara no tanjon’ny fikambanana. Mifanandrify indrindra amin’ny teny fanevan’ny fankalazana izany : “…Ho vavolombelona   hatrany amin’ny faran’ny tany”.

Noho izany, manasa ny mpitandrina rehetra amin’ny fiangonana FJKM, ny diakona sy loholona tsy ao amin’ny synodam-paritany Andrefana ihany fa ireo any amin’ny synoda hafa, ny mpino kristianina…ny firaisan’ny Diakona  sy ny Loholona  ao amin’ny synodam-paritany Andrefana ny sabotsy ho avy izao amin’ny 9 ora sy sasany maraina.