Starkey foundation: Olona 2418 no hahazo fitaovam-pandrenesana maimaim-poana.

14,18% ireo olona manana olana ara-pandrenesana eto Madagasikara araka ny loharano avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Lafo dia lafo tokoa anefa ny saran’ny fitsaboana ity aretina ity. Raha tsy hilaza afa-tsy ny vidin’ny fitaovam-pandrenesana fotsiny izao dia mitentina 2.500.000 Ariary ny vidiny iray. « Tsy takatry ny ankamaroan’ireo manana olana ara-pihainoana anefa izany noho ny fahantrany », hoy ny solontena avy ao amin’ny minisitera. Ny fiaraha-miasa amin’ny Starkey foundation amin’ny alalan’ny Rotary club sy ny ministera no vahaolana hanampiana ireo vahoaka manana fahasembanana ireo. « Ny fifanampiana no vahaolana ialana amin’ny fahantrana fa tsy dia ny vola loatra », hoy ny filohan’ny Starkey Foundation Dr Bill. Izany indrindra no niarahan’ity fikambanana mpanao asa soa avy any ivelany ity amin’ny Rotary Club eto Madagasikara. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny Alatsinainy 18 May lasa teo teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina ny fizarana ireo fitaovam-pandrenesana avy amin’ity fikambanana ity. Olona miisa 2418 avy eto Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina no hahazo izany tombontsoa izany.

Marihina fa ireo vita fitiliana tamin’ny volana febroary 2015 no hahazo ireo fanomezana ireo. Efa nanomboka ny taona 2011 ny fiaraha-miasa teo amin’ireo rantsa-mangaika telo voalaza etsy ambony ary efa olona 9000 no nahazo tombony tamin’ny hetsika araka fanambaran’ny mpandrindra ny tetikasan’ny Rotary Club, Landry Andrianalisoa.

Lynda A.