Tsipy hoditra akondro entina hampibolisatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra ve ny fifandonana teo amin’ny polisy kaominaly sy ny mpitandro filaminana? Naneho tsy fahafalian’ireo solombavambahoaka ao amin’ny Antoko TIM manoloana ny fihetsika nataon’ny miaramila misatroka mena, niodinana ny Lapan’ny Tanana Analakely. “Antsojay tanteraka ny zava-nitranga satria nanao amboletra, nitaky hamoaka ilay miaramila niharan’ny herisetran’ny polisy kaominaly ny manamboninahitra iray”. Nambaran’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Hanitra RAZAFIMANANTSOA fa ny lalana mifehy ny kaominina no nitazomana ity ranamana ity sy ny vadiny ka tokony mifanaraka amin’izay ihany koa ny famoahana azy na tsia. Tsy maintsy nahazo baiko ilay manam-pahefana. Iza ary no nanome izany? “Fanapara-pahefana no nataon’ireo mpitandro filaminana. Rehefa namana ao anatin’ny ratsa-mangaika misy azy ve dia harovana sy hirodorodoana mihitsy sa tsy azo samborina ihany koa rehefa miaramila? Manameloka ny fihetsika tahaka ireny ireo solombavambahoaka manohana ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.
SOLOMBAVAMBAHOAKA TIM: Ny mpitandro filaminana indray ve no manafika ny Lapa?
- Categories: ACTUALITE, Politique, SOCIAL
- Tags: journal madagascartim
Related Content
Lutte contre les cancers féminins : la Fondation Akbaraly intensifie la prévention à Madagascar
by
Lynda ANDRIATSITONTA
11 mars 2026
FOOTBALL : StarTimes reste le diffuseur exclusif de la Pure Play Football League (PFL)
by
Lynda ANDRIATSITONTA
11 mars 2026
Fankalazana ny 8 martsa: Vehivavy marefo 400 ao Ivato nahazo vatsy
by
Lynda ANDRIATSITONTA
7 mars 2026
Reboisement à Madagascar : MVola mise sur durabilité et expertise technique
by
Lynda ANDRIATSITONTA
1 mars 2026
Valorisation du “Vita malagasy” : l’engagement fort de Claudia Rabetsivoh, nouvelle PCA du FIVMPAMA
by
Lynda ANDRIATSITONTA
1 mars 2026