Tsipy hoditra akondro entina hampibolisatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra ve ny fifandonana teo amin’ny polisy kaominaly sy ny mpitandro filaminana? Naneho tsy fahafalian’ireo solombavambahoaka ao amin’ny Antoko TIM manoloana ny fihetsika nataon’ny miaramila misatroka mena, niodinana ny Lapan’ny Tanana Analakely. “Antsojay tanteraka ny zava-nitranga satria nanao amboletra, nitaky hamoaka ilay miaramila niharan’ny herisetran’ny polisy kaominaly ny manamboninahitra iray”. Nambaran’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Hanitra RAZAFIMANANTSOA fa ny lalana mifehy ny kaominina no nitazomana ity ranamana ity sy ny vadiny ka tokony mifanaraka amin’izay ihany koa ny famoahana azy na tsia. Tsy maintsy nahazo baiko ilay manam-pahefana. Iza ary no nanome izany? “Fanapara-pahefana no nataon’ireo mpitandro filaminana. Rehefa namana ao anatin’ny ratsa-mangaika misy azy ve dia harovana sy hirodorodoana mihitsy sa tsy azo samborina ihany koa rehefa miaramila? Manameloka ny fihetsika tahaka ireny ireo solombavambahoaka manohana ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.
SOLOMBAVAMBAHOAKA TIM: Ny mpitandro filaminana indray ve no manafika ny Lapa?
- Categories: ACTUALITE, Politique, SOCIAL
- Tags: journal madagascartim
Related Content
TECHFEST 2025 : les équipes malgaches dans le Top 10
by
Lynda ANDRIATSITONTA
16 janvier 2026
ANTSON’NY TONTOLO MIAINA – DENDROPHILE : Quand l’art célèbre l’amour des arbres
by
Lynda ANDRIATSITONTA
15 janvier 2026
MADAGASCAR : l’exposition « Plus de 1 300 ans d’histoire économique vivante » fait son retour
by
Lynda ANDRIATSITONTA
3 janvier 2026
Noël Solidaire : Orange Madagascar apporte sourire et réconfort à 1 740 enfants vulnérables
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 décembre 2025
Téléréalité amoureuse : UP FANKATIA revient pour une saison 2 sur UP TV dès le 20 décembre, en exclusivité sur StarTimes
by
Lynda ANDRIATSITONTA
19 décembre 2025