SOAMANAKASINA: Tsy ho tafavoaka mihitsy i Madagasikara raha…

Mbola sarotra ho an’ny Malagasy ny mampiasa ny teniny na niandohan’ny teny hoe : « Madagasikara » aza tsy fantany raha ny nambaran’ny filohan’ny Fikambanana Soamanakasina , avy amin’i Eva sy Adama « mama sy dada » niandohana miampy « gasy » miampy « ka » ary  « ra » iray no niavian’ny anarana hoe « Madagasikara ». Araka ny fandinihana, teto amintsika noho izany no niandohan’izao tontolo izao, hoy ny filohan’ny Soamanakasina. Betsaka anefa ny tsy mahalala izany na hodian-tsy fantatra mihitsy aza. Nambaran’i Allain, ihany koa, fa toerana manana ny hasiny i Madagasikara satria avy amin’ ny « feon’Andriamanitra » izay tonga teny. « Tokony hamantatra ny fototry ny teny ampiasaina raha te ho tafavoaka ». Amin’ny alalan’ny teny mantsy no hamaritana zavatra iray ary arakaraka ny teny itenenana azy no manome dika azy. Ohatra amin’izany ny teny hoe: « mangalatra » na  «  manga » « halatra » izay midika fa tsara ny halatra.Tsy mahagaga raha mirongatra ny fangalarana eto amintsika, hoy hatrany ny filohan’ity fikambanana ity. Ny fahaizana mampiasa ny teny izany no afaka hampandrosoana ny firenena. Tokony halalinina io teny io dia tsy tokony ho variana amin’ny hafa fotsiny. Ny olon-kendry voafidin’Andriamanitra no afaka hamantatra ny teny avy amin’ny feon’Andriamanitra halavorary ny tany. «  Tokony olon- kendry izany no hofidiana eto amintsika fa tsy filoha na « flou » izay midika ho manjavozavo na « filou » ( fetsifetsy). Tsy haharitra ity fitondrana ankehitriny ity raha ny fanazavan’ny filohan’ny Soamanakasina hatrany. «  Ny antony dia tsotra, ny voninahitra hikatsahana ny tombontsoa an’ny tena fotsiny no mitranga amin’izao fotoana. Voninahitra tsy andehanana any amin’ilay fiainana mandrakizay. Ny fahaizana mampiasa ny feon’Andriamanitra no tena voninahitra izay vonona hiatrika na hampiasa izany amin’ ny alalan’ny fahendrena. »

Lynda A.