SENDIKAN’NY ADMINISTRATEUR CIVIL: Nanao fanambarana mba hampilamina ny fifidianana amin’ny 2023

« Mpiasam-bahoaka izahay, ny lalàna no arahinay ».  Niverimberina nandritra ny fanambarana nataon’ny Sendikan’ny Administrateur Civil (SYNAD), ny 14 jona 2022 teny Anosy io fehezanteny io. Nambaran’ny Filohan’ny SYNAD, Raholinarivo Paolo fa sahirana  ny Administrateur Civil amin’ny fanatanterahana ny asany andavanandro. « Raha misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreritrin’ny  mpitondra  ataonay dia heveriny fa miandany amin’ny mpanohitra. Raha misy zavatra tsy araka ny eritreretin’ny mpanohitra ataonay  dia heveriny fa miandany amin’ny mpitondra », hoy izy. Nilaza izy fa mpiasam-bahoaka, mpiasam-bahoaka ny solontenam-panjakana ary ny lalàna no arahin’izy ireo.  Araka ny fanambarana nataon’izy ireo dia «  manomboka izao dia miandany amin’ny lalàna velona izahay fa tsy mpiasan’ny antoko fa mpiasam-bahoaka. Mijoro izahay hiteny rehefa  misy tsy mety na mpitondra na mpanohitra ». Nanipy teny ho an’ireo olom-boafidy na olom-boatendry ny Sendika fa manana rafitra misahana ny famindrana toerana azy ireo fa « tsy ny Solombavambahoaka no manao izany ». «  Aza terena izahay handika lalàna. Hijoro ho an’ny tanindrazana izahay ka rehefa mpitondra mandika lalàna dia toherinay. Mpanohitra mandika lalàna dia toherinay ».

Hetsika ara-politika

 Mba hampilamina ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny taona 2023 dia anisany  fambarana  nataon’ny SYNAD ihany koa ny antso ho an’ireo solontenam-panjakana, ny Prefet MBA hanome fahazoan-dalana an’ireo hetsika politika rehefa manaraka fepetra. «  Mahazo alalana dahalo rehefa hetsika ara-politika ka mahafeno fepetra na antoko inona na antoko mpanohitra. Miantso ny namana solontenam-panjakana izahay hanome fahazoan-dalana rehefa mahafeno ny fepetra, anaty toerana mifefy sy azo antoka, tsy atahorana hiteraka korontana.  Izay namanay tsy manome dia helohinay », hoy Raholinarivo Paolo. Mampatsiahy ity Filohan’ny SYNAD ity fa ny Commissaire Général, ny Prefet, ny Lehiben’ny distrika no solontenam-panjakana. Miantso ny Praiministra ny Sendika hijery akaiky azy ireny fa « misy mipetraka amin’ny tranon’akoho,mandeha tongotra ».

Lynda A.