SECES : Mikatso avokoa ny raharaha rehetra eny amin’ny oniversite.

Nitokona  nanomboka omay indray ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka na SECES taorian’ny hevitra tapaka tamin’ny fihaonamben’ny SECES manerana ny Nosy omaly. Tsy nampianatra avokoa ireo mpampianatra maharitra.

Tsy nahafa-po ny valin-teny nomen’ny minisitry ny fampianarana ambony nandritra ny fihaonan’ny roa tonta.

 « Efa hatramin’ny taona 2009 no tsy nandray ny karama sy ny tambin-karama ireo mpampianatra, lasa atao ankiolabao ny tetibola fampandehanana ny oniversite manerana an’i Madagasikara ». Izany indrindra no antony ny fitokonana.  « Tsy fitiavan-tena velively no mahatonga izao hetsika izao fa mba ahafahan’ny mpampianatra mitsinjo ny mpianatra fa indindra eo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana », hoy ny filohan’ny SECES Analamanga, Rtoa Ralalaoherivony Bakolisoa.

Nambaran’ny filohan’ny SECES Nasionaly, Dimby Ralambomanana, ihany koa fa mikatso avokoa ny raharaha rehetra manodidina ny oniversite    enina eto Madagasikara na ny fikarakarana ny fanadinana  kilasy  famaranana( BACC) aza. Tandindomin-doza na ireo mpianatra eny amin’ny oniversite na ireo mpianatra vao hanala fanadinana noho izany. Na dia eo aza izany, vonona hifampiresaka main’ny ministra hatrany izy ireo mba hisian’ny marimaritra iraisana fa mitohy foana ny tolona mandra-pisiany izay.

Zon’ny mpampianatra tanteraka ny maneho ny heviny rehefa misy ny tsy fanarahan-dalana ary mifanaraka ny lalana mipetraka mihitsy ny fitakian’izy ireo.

Lynda.A