SECES ANTANANARIVO : Sorena amin’ny fandavan’ny HCC ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana

Vahaolana ahafahana manatsara sy manome hasina indray ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa indrindra ahafahana mitandro maharitra ny filaminana ara-tsosialy eny amin’ny anjerimanontolo ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ny Foibem-pikarohana nasionaly, araka ny fanambarana nataon’ny sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECES) sampana Antananarivo. Nolaviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) anefa  io tolo-dalàna nataon’ny Ministera mpiahy ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny (MESupReS) izay natolotry ny Solombavambahoaka Rasoazananera Marie Monique io. « Araka ny filazan’ny HCC dia tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana io tolo-dalàna io », hoy i Profesora Ravelonirina Hanitriniaina Sammy Grégoire, Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo,  nandritra ny fivoriambe omaly 09 martsa 2022 teny Ankatso. Mizara telo ny fizakan-tena resahan’ilay tolo-dalàna dia ny fitsinjaram-pahefana, ny fizakan-tena ara-bola sy fitantanana ary ny fizakan-tena ara-pikarohana sy fampianarana. Araka ny tapaka tao amin’ny fivoriambe dia « miantso Filankevi-pirenen’ny SECES (Conseil National) faran’izay haingana izahay mba hahafahana mandray fepetra hentitra sy mandroso vahaolana mafonja ho an’ny fitondram-panjakana manoloana izany fitsipahana nataon’ny HCC izany ».

Ankoatra izany dia noresahana nandritra fihaonan’ny sendika ny famoahan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Vola naoty ho fanakatonana ny “comptes bancaires” an’ireo “Facultés, Etablissements d’Enseignements Supérieurs” eo anivon’ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny 30 Aprily 2022 izao. Mitsipaka mari-drano izany ny sendika satria « endrika fanapotehana sy fanosihosena ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly » izany. Ho fanampian’izay dia « mampitandrina mafy ny mpitondra fanjakana ambony sasantsasany ny SECES Sampana Antananarivo, mba hampitsahatra tsy misy hatak’andro ka handevina impito mandifotr’olona ny fomba fanao mamohehatra amin’ny fanaovana tsindry sy fanararaotam-pahefana miendrika kolikoly amin’ny tompon’andraikitry ny MESupReS eo amin’ny fampidirana olona ho mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra.

Lynda A.