SECES ANTANANARIVO: Sao hampigadra ity fikarakarana bakalorea ity

Maneho ny ahiahiny tanteraka ny SECES Sampana an’Antananarivo manoloana  ny fanatanterahana sy ny fiatrehana ny  fanadinana bakalorea. “Manahy be ihany koa izahay eo amin’ny mety handraisana andraikitra na izany hanao chef de centre  na izany eo amin’ny fandraisana andraikitra  ho Président de Jury  raha tsy mazava tena fepetra hentitra ho raisin’ny mpitondra, raha tsy fantatra mazava ny ezaka ho raisin’ny fitondram-panjakana ny  tsy hiverenan’ny tranga nisy dia ny fampidirana am-ponja  olona izay mety tsy voakasika akory ny toe-draharaha, lasa olona mety tsy nanao n’inona n’inona indray no hizaka ny vesatra vokatry ny loza nataon’ny fahavalom-pirenena”, hoy ny filohan’ny SECES Antananarivo, Profesora Ravelonirina Sammy Grégoire taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpikambana, androany 17 oktobra 2019 teny Ankatso.

Miantso ny fitondram-panjakana handray ny andraikitra manandrify azy, hanenjika tsy misy hatak’andro ary hampihatra ny sazy faran’izay henjana ho an’izay olona rehetra ao anatin’ny tambazotra  nahatonga ny fanakorontanana sy fanapotehana ny ho avin’ny taranaka Malagasy eo amin’ny fanadinam-panjakana ity sendikan’ny  mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra avy amin’ny oniversite Antananarivo ity. “Saro-piaro amin’izany hasin’ny diplaoma avy amin’ny fanadinana izany izahay ary mametraka toy ny anakandriamaso ny lenta avon’ny  fampianarana, ny fanabeazana ary ny fikarohana”, hoy Profesora Ravelonirina Sammy Grégoire.

Manamafy ny SECES fa miandry ny fahavitan’ny faha-15 andro niandrasana ny fifampidinihana  momba ny fitakian’izy ireo ary ny fahitana vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana. Raha ny fantatra dia hivory ny sendika ny 29 oktobra ho avy izao.

Lynda A.