SCOOP DIGITAL: Tomponandraikitra amin’ny fiadiana ny “pirate” ny fanjakana.

Andraikitry ny fitondram-panjakana ny fiarovana ny zon’ny mpamorona sy mpamokatra. miezaka manentana ny vahoaka hividy ny tena izy ny orinasa mpamokatra. Anisan’izany ny Scoop Digital. Hivoaka amin’ny talata 30 Aogositra 2016 izao ny sarimihetsika “Adisanina Copain” ka hanamafy amin’ireo mpanjifa ny orinasa fa ny fividianana “original” dia manamarika fa  afaka miady amin’ny tsy rariny ny olona iray ary manampy tosika ny vokatra Malagasy.

Tao anatin’ny folo taona nitsanganan’ny Scoop Digital, tsy nijanona ho mpamalifaly ny mpanakanto sy mampiala voly ny fiarahamonina fotsiny izy.  “Nitondra ny anjara birikinay  ihany koa izahay tamin’ny alalan’ireny sehatra ireny”, hoy i Mamitiana RAZAFIMANDIMBY, tale jeneralin’ny Scoop Digital. Ny 35% ny vokatra sy ny vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa  izao dia nomena ireo sekoly niara-niasa taminy. Nasaina nivarotra tapakila izy ireo dia ny vola niditra tamin’izany no nentina  nandokoana  ny sekoly. Ny hetsika “Soa hifampizarana” no nahafahan’ny orinasa nanatanteraka izany ary Nitety faritra  manerana an’i Madagasikara mihitsy.