SAMVA: Hiezaka hanala ny fako misavovona ao anatin’ny herinandro

Nandritry ny firotsahan’ny orana nifanesy teto Antananarivo, maro ireo toerana  no  tondran-drano. Raha ny eny amin’ny faritra iva, toy ny eny Andohatapenaka, Ampefiloha Ambodirano, Andavamamba,…tondran-drano tanteraka vokatry ny fahatsetseman’ny lakan-drano. Eo ihany koa ny fanorenana trano tsy ara-dalana eny ambony lakan-drano, ny tsikafona, ny fako izay mahatonga ny fahatsetsemana. Efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny fanjakana manoloana izany tahaka ny fandravana ireo trano, ny fitrohana ireo rano miandrona. Anisan’ny niparitaka ihany koa ny fako nandritra iny vanim-potoana iny. Feno fako misavovona eny an-dalam-be, indrindra fa ny tananan’Antananarivo renivohitra. Niezaka hatrany ny SAMVA nanala ireny fa mbola misavovona ihany ny fako. Araka ny fanazavana azo, vokatry ny tsy fahampiana sy fahateran’ny fitaovana ampiasain’ny SAMVA  ary ny tsy fahaiza-miaina ny mponina no mahatonga izany. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahampian’ny tetibola omen’ny fanjakana amin’ny fandraofana ny fako. Marihina fa 3000 taonina isan’andro ny fako raofin’ny mpiasan’ny SAMVA ary mitentina 12 tapitrisa Ariary isan’andro no ilaina amin’izany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny SAMVA  Atoa Roy RASOAMAROMAKA fa tokony handray anjara amin’ny fandraofana ny fako ny mponina mba tsy ho vesatry ny kaominina irery izany. Tokony hohavaozina ny hetra trano mba hisy ampahany amin’ny fanadiovana ny tanana, hoy hatrany izy.

Hiezaka hanala ireo fako misavovona eny amin’ny tananan’Antananarivo Renivohitra ity sampandraharaha iray ity ao anatin’ny herinandro.  Noho izany, manentana ny mponina rehetra hanaja ny ora fanariana ny fako amin’ny 5 ka hatramin’ny 8 ora alina.

Lynda A.