ROVA AN’AMBOHIDRABIBY: Averina amin’ny endriny taloha

Hiara-hiasa amin’ny taranaka Ambohidrabiby ny masoivohon’ny Indonezia amin’ny fanarenana ny rova ao Ambohidrabiby. Manomboka amin’ity taona 2018 ity ny fanarenana ka ny Lapa Fenohasina izay nitoeran’ny mpanjaka Rabiby no hanombohana ny asa. Aorian’izay ny Lapa Manjakazafy izay nitoeran’ny mpanjaka Ralambo. “Tsy maintsy manaraka ny endriny taloha ihany ny fanarenana atao mba ho fanajana ny  maha vakoka ireo lapa roa ireo”, hoy i Hery Rason, tomponandraikitry ny fanarenana ny rova. Torak’izay ihany koa ny fefy. Araka ny fanazavany, nifefy hazo ny rova ka tsy maintsy manaraka izay ihany koa ny famefena azy. Nambaran’ny Ben’ny Tanana ny kaominina Ambohidrabiby, Barisoa Andriamananjara fa toerana niandohan’ny fanjakan’Imerina i Ambohidrabiby. Ho famerenana ny hasiny ny fanarenana ny rova.

Nanatrika ny taom-baovao nokarakarain’ny taranaka Ambohidrabiby ny alatsinainy 19 martsa 2018 ny Ambasadaorin’ Indonezia miasa eto Madagasikara. Nilaza ampahibemaso  izy fa hanome tanana amin’ny fanarenana ny rova. “Iray razam-be niandohana ny Malagasy sy ny Indoneziana. Noho izay firahalahiana izay, faly ny tenako handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy”, hoy izy.

Lynda A.