RADO RAMPARAOELINA : Mandeha isaky ny vohitra ny fampandrosoana.

Mihamahazo hery eny amin’ny kaominina Ampitatafika ny kandida TIM  Rado Ramparaoelina, laharana faha-03. Na dia maro aza ny manaratsy azy,  mbola betsaka ireo olona manara-dia azy. Nanazava izany endrika fanaratsiana izany  indrindra tamin’ireo mponina izy. Marihina fa fivarotana tany no tena hanenjehan’ny mpifaninana azy. Nohararaotiny tamin’ny fotoana nitafana tamin’ny vahoaka an’Ampitatafika ihany ny fampahafantarana ny fandaharan’asany rehefa lany ho Ben’ny Tanana an’Ampitatafika indray izy.

Isaky ny vohitra no paika ady entiny hampandrosoana ny kaominina. Miainga any ifotony mihitsy ny fampiroboroboana ny tanana, hoy ity kandida laharana faha-03 eny Ampitatafika ity. fony izy teo amin’ny fitantanana ny kaominina, efa maro ireo foto-drafitra asa vita ary mbola ho tohizany izany. Fokontany 13 no efa voafaritra hanohizana ny tetikasa izay efa miandry ny halaniany indray dia tonga ny famatsiam-bola.

Ankoatra izay, nitsidika ny fiangonana mitandrina ny andro fahafito na « advantista » teny Ambohimiadana Ampitatafika izy ny asabotsy lasa teo. Efa mpiara-miasa aminy hatrizay ireo mpikambana ao amin’ity fiangonana ity araka ny filazany. Nohamafisiny mihitsy aza fa nifankahazo am-po tanteraka izy ireo.  Tsikaritra fa misokatra ho an’ny rehetra raha i Rado Ramparaoelina, tsy manavakavaka antokom-pivavahana.

Lynda A.