Anisany nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninana tetikasa karakarain’ny Youth First ny Plastishare. Tetikasa mifantoka amin’ny fanodinana ireo tavoahangy vita amin’ny plastika ho lasa akora hafa izy ity. Ankoatra ny famoronana asa dia tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanora zazavavy efatra no niara-niketrika ka nahavita nanamboatra “rideaux, boites à bijoux, abat-jour…” nambaran’i Valisoa RAKOTOMINO, tompon’ny tetikasa Plastishare, fa hatramin’ny sarona tavoahangy dia azo ampiasaina hanamboarana zavatra hafa. Miara-miasa amin’ny akan’ny marenina (AKAMA) izy ireto ka ny vola azo avy amin’ny famarotana ny vokatra dia hanampiana ny akany. “Isaky ny telo volana izahay no mivarotra ny vokatra ary amin’ny ray aman-dreniny ao amin’ny akany ihany”, hoy i Narindra ANDRIMANAMAMONJY.
PLASTISHARE: Azo avadika fitaovana hafa ny tavoahangy plastika.
- Categories: ACTUALITE, Artistique, Economie, SOCIAL
Related Content
TECHFEST 2025 : les équipes malgaches dans le Top 10
by
Lynda ANDRIATSITONTA
16 janvier 2026
ANTSON’NY TONTOLO MIAINA – DENDROPHILE : Quand l’art célèbre l’amour des arbres
by
Lynda ANDRIATSITONTA
15 janvier 2026
LIBÉRALISATION ÉCONOMIQUE : Un levier historique pour le redressement de l’économie malgache
by
Lynda ANDRIATSITONTA
10 janvier 2026
MADAGASCAR : l’exposition « Plus de 1 300 ans d’histoire économique vivante » fait son retour
by
Lynda ANDRIATSITONTA
3 janvier 2026
Noël Solidaire : Orange Madagascar apporte sourire et réconfort à 1 740 enfants vulnérables
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 décembre 2025