PDS Joseph Ramiaramanana: “Betsaka ny asa vita”.

Efa manakaiky ny ora farany hitantanan’ny Filohan’ ny delegasiona manokana, Joseph Ramiaramanana ny Tanana an’ Antananarivo. Nandritra ny dimy volana nitondrany, maro ny fandaharan’asany tontosa. Niompana tamin’ny fanatsarana ny andavanandrom-piainan’ ny mponina no tanjona tamin’izany.

Ny fanadiovana ny Tanana no anisany vaindohan-draharaha ka tamin’ny alalan’ny fifaninana fanadiovana isam-pokontany no paika ady nentina nanatanterahina izany. Ankoatra izany, nisy ny fepetra noraisin’ ny fari-piadidian’ny Tanana an’ Antananarivo manoloana ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo fanorenana tsy ara-dalana. Tsy natao ankilabao ihany koa ny fandaminana ny fifamoivoizana. Marihina fa tao anatin’ny fitondrany no nitsangana ny fikambanan’ ny mpiasa sy ny sendika.

“Ny fametrahana ny fahadiovana amin’ny lafiny fitantanana, toe-tsaina sy endrika ivelany ny Tanana an’ Antananarivo no antony izany rehetra izany”, hoy ny PDS Joseph Ramiaramanana. Nandray anjara tamin’ireo lanonam-panjakana, toy ny “Ady amin’ny fanambadiana ny zaza tsy ampy taona”, ny fetim-pirenena 26 jona ihany koa ny tenany fa indrindra nanome lanja ny sosialim-bahoaka sy ny hetsika ara-koltoraly. Ohatra amin’ izany, ny hetsika hira gasy, “ Carnaval de Madagscar”, fanampiana ireo beantitra ao amin’ny fikambanana AZOI na “Association Zokiolona Isoavimasoandro”, ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana,…

Nisedra toe-draharaha sarotra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra toy ny fitokonana sy hetsika sendikaly, fandravonana ny disadisa teo amin’ny mpivarotra eny amin’ ny COUM sy ny SEIMAD, Bagdad sy ny Aigle Noir, Pochard sy ny PUP.

Maro ny asa vita fa mbola betsaka ihany koa ny tsy tanteraka ary miandry ny ben’ny Tanana vaovao hisolo ny toerany. Tafiditra ao anatin’ izany ny tetikasa napetraky ny fanjakana amin’ny kaominina dia ny fandaharan’ asa RRI na fanatanterahina asa ao antin’ny 100 andro. Mifantoka amin’ ny sehatra efatra lehibe izany: ny fivezivezena an-tanan-dehibe, ny fanadiovana ny Tanana, ny fanadiovana ny asam-panjakana, ary ny fandriam-pahalemana.

Nomarihin’ny PDS nandritra ny valan-dresaka tamin’ ny mpanao gazety fa rahampitso no hanambarana amin’ny fomba ofisialy io tetikasa io.

Lynda A.