Pasitera Joseph Radimilahy: Araka ny faminaniany, Dr Jean Louis Robinson no hiakatra eo amin’ny fitondrana atsy ho atsy.

 

Nilaza ho nahita fahitana tamin’ Andriamanitra ny pasiteran’ny Fiangonana Fifohazam-panahy ara-tsoratra Masina na FFPSM ny volana novambra 2012. « Nisy lehilahy iray efa antitra nasehoan’Andriamanitra ahy ary io lehilahy no hiakatra hitondra atsy ho atsy »,hoy i Pasitera Joseph Radimilahy. Taty aoriana kely dia voafaritra fa i Dr Jean Louis Robinson io olona io. Araka ny fanazavany hatrany, tsy haharitra ny fitondrana ankehitriny ka i Dr Jean Louis Robinson no hisolo ny filoha ary hivadika tetezamita indray ny fitondrana. Nambarany ihany fa io voalaza tamin’ny faminaniany io no hikarakara ny fifidianana manaraka eo. Ankoatra izany, « tsy hilamina mihitsy ny firenena Malagasy mandra-pahatanteraka io faminaniana io », hoy hatrany izy. Vita hatreo ny kajikaji-politika sy ny an’ny olona fa hiditra an-tsehatra amin’izay Andriamanitra, hoy izy.

Lynda A.