PASITERA HERY TIANA : « Tokony fampandrosoana no hifaninana ».

“Matoa tsy te hiala eo amin’ny fitondrana  ny Filoham-pirenena, matoa mihetsika ireo mpanao politika dia samy tia tanindrazana avokoa”, hoy Pastera Hery Tiana RANDRIARIMALALA. Tokony firenena hafa no hifaninana raha fampandrosoana ny resahana fa tsy isika samy isika indray no hifanongana na hifikitra amin’ny fitondrana ny firenena.

Eo amin’ny lafiny finoana, hanatanteraka fihaonambe ny fiangonana Vahao Ny Oloko amin’ny sabotsy 10 Septambra 2016 ho avy izao. Hetsika ataon’Andriamanitra  izy ity, araka ny fanazavana hatrany.  “ Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny fotoam-pivavahana izay hotontosaina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.

“Ny fahavalo tsy haharesy anao” no lohahevitra noraisina satria azo atao tsara ny mandresy ny devoly izay miseho amin’ny alalan’ny aretina, ny olana…hoy i pasitera.