OSTIE: 60 taona nikarakarana ny fahasalaman’ ny mpiasa sy ny ankohonany.

 

Feno 60 taona amin’ ity taona 2015 ity ny tobim-pahasalamana OSTIE, misahana ny fahasalaman’ ny mpiasa sy ny ankohonany. Hanamarihana ny fankalazana,  maro ireo hetsika ho tanterahina. Anisan’ izany ny lalao ara-pirahalahiana izay ho tontonsaina amin’ny 29 sy 30 Aogositra ho avy izao ao amin’ ny Stade Municipal Mahamasina. Miompana amin’ ny taranja Basket-ball, Foot à 7, volley ball ary ny tsipy kanetibe izany. Marihina fa mpikambana sy ny mpiasa ao amin’ ny OSTIE no handray anjara.
Mialoha ny fanokafana, manasa ny rehetra handray anjara amin’ ny hazakazaka atao manodidina ny kianja na mpikambana na tsia.

Hanamarihina ny fankalazana daholo izany, hoy ny mpikarakara, Gil Razafitsalamana. Ankoatra izany, hisy ihany koa ny varavarana misokatra hampahafantarana ny asa fitsaboana ataon’ ny OSTIE. sy alim-pandihizana.

Hanamafisana ny fiahara-miasa amin’ ireo orinasa sy mpiasa mpikambana ao aminy no tanjona amin’ izany rehetra izany, hoy hatrany ny mpikarakara. « Fanatsarana sy fampiakarana ny traikefa ho an’ ny mpiasa ihany koa ».

Niforona tamin’ ny taona 1955 ny OSTIE  teto Madagasikara. Hatramin’ izay nisiany izay dia orinasa manodidina ny 3483 sy mpiasa 107.788 no mpikambana ao aminy. Mpitsabo sy mpitsabo mpanampy miisa 700 eo ho eo ny miara-misalahy amin’ ny fikarakarana ny fahasalaman’ ny mpikambana. Midina ifotony eny anivon’ ny toeram-piasana ihany koa izy ireo mijery akaiky raha tena mifanaraka amin’ ny fepetra takiana, hoy i Dr Barbara Rakotonarivo.

Lynda A.