OLONA NITANA ANDRAIKITRA AMBONY TETO AMIN’NY FIRENENA: Mijoro ho mpanelanelana

Nanao fanambarana ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana na Groupe National de Médiation (GNM), ny 7 novambra 2023 teny Antsakaviro, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. « Eo anatrehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia mijoro ny Vondrom-pirenena  mpanelanelana. Hikaondoha  hijery vahaolana miaraka amin’ny hery velona rehetra izahay », hoy i Rakotomanana Hery, Filohan’ny GNM sady filohan’ny CENI teo aloha. Nambarany fa ho fametrahana filaminana eto amin’ny firenena no katsahin’izy ireo. Misokatra ho an’ny hery velona rehetra ny vondrona ary misokatra ny adihevitra ho an’ny tombontsoa ambony ny firenena. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena toy ny Praiminisitra teo aloha, ministra teo aloha, Filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) teo aloha ary Jeneraly efa misotro ronono. Mitarika ny GNM i Rakotomanana Hery, Filohan’ny CENI teo aloha. Mandrafitra ny vondrona ihany koa i  Kolo Roger , Praiminisitra teo aloha sy  Andriamahefarivo Johnny, minisitry ny fitsarana teo aloha.

Lynda A.