NAMAVATA HELP FRANCE- LA CHARITE DE MADAGASCAR: Fianakaviana sahirana an-jatony misitrika tetikasa manamaivana ny fahasahiranana andavanandro

Tetikasa maharitra. Manampy ireo fianakaviana sahirana hahaleo tena ara-pivelomana ny tetikasa fambolena legioma eo an-tokontany. Nanolotra fitaovana toy ny angady, siny, borety ary  masomboly (karaoty, poivron, baranjely, pastèque, tongolobe) ho azy ireo ny fikambanana La Charité de Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Namavata Help France. Tokantrano sahiram-pivelomana avy eto Antananarivo  sy Manankara no misitraka ny tetikasa. Anisan’ireo mpahazo tombontsoa amin’ny “potager solidaire” ny ramatoa iray, efa nahazo taona, maty zanaka ary mipetra-drery sy ramatoa manana vady sembana. “Ny ambiny ny vokatra atao sakafo dia ho amidy ho fanatsarana ny velon-tenan’ireo mpahazo tombontsoa. Hahatonga azy ireo hahaleo ara-bola no tanjon’ny tetikasa ary ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoan ara-toekarena”, hoy i Mariam Gara, Filohan’ny fikambanana Namavata Help France. Ao anatin’ny tetikasa iarahan’ny  fikambanana miasa ihany koa ny fanamboarana lava-drano.  Vovon-drano manodidina ny 50 no efa namboarina teto Antananarivo sy tany Manankara. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2023 ny vovon-drano faha-45, natao tao Ankamory Ambohidratrimo. Ahafahan’ny mponina miisa 241 no hisitrika rano fisotro madio ity foto-drafitr’asa vaovao ity. “Tsy voatery mandeha lavitra na mividy rano intsony izy ireo”, hoy i Zouber Assanjee, ny Filohan’ny La Charité de Madagascar. Rehefa nanontaniana i Dadafara Dason, mpanambotra lava-drano dia 200.000 Ariary  ny sarany mora indrindra amin’ny fanamboarana vovon-drano. Mitombo ny vola lany arakaraky ny alalin’ny lavaka adiana ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 500.000 Ariary ny karama manao izany.

Ankoatra izany, mbola mitohy ny fizarana vatsy sy sakafo masaka ataon’ny fikambanana. Vao tsy ela akory, ny 04 Mey 2023, nizara vary  3 kg isan-tokantrano ny fikambanana. Fianakaviana 30 no nahazo izany, tao amin’ny fokontany Andranomena.  Nanolotra harona misy vary, menaka, siramamy, voanakazo “datte” ho ana fianakaviana maherin’ny 50, tany Manankara ihany  koa izy ireo.  Nanamafy i Zouber Assanjee fa natao ho an’ny olon-drehetra, tsy mifidy antokom-pivavahana ny fanampiana ataon’ny fikambanana.

Lynda A.

SARY: