MSE: Fikambanana manaparitaka ny filazantsara.

Fikambanana manaparitaka ny filazantsara amin’ny alalan’ny boky, horonam-peo na horonan-tsary… ny MSE na « Media au Service de l’évangile ». Ny taona 1992 no niforonany, niato kely enin-taona ary izao amperinasa izao indray.

Fanampiana avy amin’ny kristianina, tsy ankanavaka anaram-piangonana, malala-tanana no hampandehanan’ny fikambanana ny asa fanompoany. Manana trano famakiam-boky hanampiana ny kristianina hampitombo ny finoany na  ihany koa hitoriana ny filazantsara ny MSE. Eny Isoraka ampitan’ny “Mediature” no misy azy. Misokatra ho an’ny rehetra ny MSE ka afaka mijanona mamaky boky na mihaino fampianarana amin’ny “cassette” na CD, mijery horonan-tsary ara-pilazantsara na dia tsy mpikambana aza. Raha hiditra mpikambana kosa dia mandoa 10.000 Ar ary mahazo mitondra boky, CD,“cassette”…misy ao aminy. Nomarihan’i Helisoa RASEHENONANDRASANA, Filohan’ny  Comité d’Administration ny MSE fa manan-kery mandritra ny telo taona ny karatra maha mpikambana. Mivarotra boky ihany koa ny MSE.

Ankoatra izany, amin’izao fetin’ny noely izao dia manome fahafaham-po ny ankizy amin’ny alalan’ireo kapila misy hira na horonan-tsary kely momban’ny krismasy na  karatra  firarian-tsoa, agenda,sns ny MSE.

Mikarakara “Braderie de Noel” foana isan-taona  ny fikambanana ary efa nandritra ny telo ambin’ny folo taona no nanatanterahina izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. “Hetsika natao ho an’ ny “madiniky ny Tompo na ireo tsy manana fahafahana hividy  akanjo na kiraro na kojakojan-dakozia amin’izao fetin’ny krismasy izao”. Avy amin’ireo mpanome an-tsitrapo ireo fitaovana na kojakoja varotana ary natao amin’ny vidin’ny mirary tokoa. Ankoatra ireo, mandritra ny hetsika dia misy lavantim-bokatra na “ vente aux encheres”.

Nanomboka omaly zoma ny andiany manaraka  ary hifarana androany sabotsy eny amin’ny foiben-teoran’ny MSE ihany.

Lynda A.