Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa: Tsy tonga hanakorontana fanjakana fa hiaro kosa ny zon’ny mpanjifa.

Nahitam-bokatra ny dingana nataon’ny fikambanana Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa na RNDC (Reseau National de la Defense des Consommateurs taorian’ny famoriana ireo manana olana amin’ny JIRAMA. Fangatahana fampidirana herinaratra efa an-taonan’ny maro, tsy mbola novalian’ny sampandraharaha misahana izany, faktiora lasa midangana avo roa heny kanefa tapaka lava ny jiro….no tena nitarainan’ireo tonga nanatrika izany fivoriana izany. Ho fanampiana azy ireo no tanjon’ny RNDC amin’ny maha mpiaro ny zon’ny mpanjifa azy ka nanao izay fara-heriny mihitsy ny fikambanana hitadiavam-bahaolana manoloana ireo fitarainana maro be.

Tokantrano vitsy izao no efa novalian’ny JIRAMA ny fangatahana fampidiran-jiro ka tafiditra soamatsara izany. Anisan’ireo i Christophe, mipetraka eny Ambodimita ka nisaotra ny tompon’andraikitra voakasika ny tenany.

“Tokony hihaona foana ny mpanjifa sy ny Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa fa misy mahatsara azy”, hoy ny filohan’ny RNDC, Rabetsara Lita. Porofon’izany ny vokatra azo tsapain-tanana voalaza etsy ambony. Nambarany ihany koa fa efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny JIRAMA sy ny fikambanana ahafahana mandrindra ny asa mba ho voavaly avokoa ny fangatahana jiro sy ny amahana ny fahatapahan’ny herinaratra. Araka ny fanazavany hatrany dia efa misy ny vahaolana amin’ny delestazy ka hifarana hatreo izany manomboka amin’ity herinandro ity.

Marihina fa mbola nifampitaona teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina ireo namaly ny antson’ny fikambanana ny asabotsy teo. Notsipihany Ralita manokana tamin’io fotoana io fa tsy manam-pahasahiana hanambara sy hilaza ampahibemaso ny olana mahazo amin’ny maha mpanjifan’ny JIRAMA isika satria raha 1200 no tonga nitaraina tamin’ny fihaonana voalohany, zara fa ny ampahany no nanatrika ny fihaonana faharoa. Nohatitrateriny ihany koa fa tsy hanakorontana ny fanjakana no tanjony amin’izao hetsika izao fa hikatsaka kosa ny zon’ny mpanjifa ary rehefa misy tsy milamina mahakasika izany dia tsy maintsy miteny izy.

Tsy olan’ny jiro ihany no iadian’ny fikambanana fa mbola ho asiana resaka ihany koa ny momban’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny fanafody tsy ara-dalana amidy eny rehetra eny,…izay rehetra mifanohitra amin’ny lalana mikasika ny mpanjifa.

Lynda A.