MPANDRAHARAHA VOLAMENA: Hoenjehina avokoa ireo tsy manana karatra ara-dalana.

Raha mandeha tongotra  manodidina an’Antananarivo Renivohitra, betsaka ireo olona manontany ireo mpandalo hoe: “Misy  volamena hamidy?”. Maro amin’izy ireny anefa  no tsy ara-dalana akory ny fisiany ary betsaka ny voasoloky. Ho fanadiovana ity sehatra asa iray ity, hizara karatra maha ara-dalana ho azy ny mpivarotra na mpividy  eto Antananarivo Renivohitra ny ANOR. Nanomboka androany ny fizarana  ary tsy hifarana raha tsy amin’ny zoma faha-23 Septambra 2016.

Araka ny fanazavana, ho fametrahana amin’ny ara-dalana sy ara-panjakana ny asa volamena ataon’ny mpandraharaha no tanjona amin’ny hetsika. Noho izany, mandika lalana avokoa izay rehetra tsy manana ity karatra ity.

 Mandritra io efatra  andro fizarana io no fotoana hanampiana ireo  tokony hiditra amin’ny sehatra ara-dalana amin’ny fampahafantarana  sy fampidirana azy ireo avy hatrany ho voarakitra ao amin’ny statistika mba  hananan’izy ireo  ny “carte NIF”  mialoha ny fahazoana ny “carte ANOR”.

Hahazo tombony ireo mpikambana ao amin’ny  F.A.V Analakely satria mihena  ny  vola fandoa isan-taona.