MOI: Hanome fitsaboana maimaim-poana ny faritra Marondava.

Ho fahatsiarovana an’i tompokolahy AKBARALY VASRAM dia hiara-hiasa ny « Medecins de l’Océan Indien » na MOI izay tarihin’i Dr KOYTCHA Firoze sy ny zanak’i tompokolahy Atoa VASRAM NAZIR. Noraisin’ity farany ity an-tanana fikarakarana rehetra amin’ny   hetsika ara-tsosialy efa nataon’ny MOI hatrizay. Fanomezana fitsaboana maimim-poana miaraka amin’ireo mpitsabo mahay no tena ataon’ity  fikambanana MOI ity. Araka ny voalaza etsy ambony, atao any Morondava ny 31 Martsa ka hatramin’ny 09 Aprily 2015 ny andiany manaraka ho fahatsiarovana an’i tompokolahy AKBARALY VASRAM izay tany no niaviany. Marihina fa efa  faha 69 nanaovan’ny fikambanana asa soa ary hetsika  faha 56 no nandalovany teto Madagasikara.

Hisy mpitsabo manam-pahaizana maro amin’ny fandidiana avy ao amin’ny fikambanana MOI no ho avy amin’io hetsika io, hoy Rachel RAZAFIMAHANDRY. Maimaim-poana avokoa ny fitiliana sy fandidiana mandritra io folo andro io. Hatao  ao amin’ny Lycée NASSOR Morondava hanombohana ny hetsika, ny 01-02 Aprily ao amin’ny  CSBII Mahabo, ny 03-04 aprily ao amin’ny  CSBII Belo sur Tsiribihina, ny 06 ka hatramin’ny 09 aprily miverina ao amin’ny Lycée NASSOR ny MOI ary ho faranan’i Dr Koytcha.

Ny fahatongavan’ny marary no zava-dehibe amin’ireo mpikarakara.

Lynda A.