MMF: “Mandrava fiarahamonina ny fihetsika ataon’ny mpitondra”.

 “Tsy mahavita ny andraikitra napetraka taminy ny mpitondra matoa tafalatsaka amin’ny fahantrana ny Malagasy. Manjaka tanteraka ny tsy rariny eto amin’ity firenena ity”. Efa fantatry ny vahoaka izany saingy tsy manana hery hanoherana izany izy ireo. Vokany, niray hina ny MMF na Malagasy Mivondrona ho Fanorenana Ifotony sy ireo mpiara-dia ao amin’ny vondrom-politika Mitsangana ry Malagasy hampiseho fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny  fampandrosoana eto. Nahazo alalana hanatanteraka fihaonam-be eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina ny roa tonta amin’ny asabotsy  24 septambra  2016 ho avy izao.

Nambaran’i  Lanto RAKOTOMAVO fa vao maika mandrava fiarahamonina ny fihetsika ataon’ireo mpitondra fa tsy mampandroso akory. Manginy fotsiny ny tsy fanarahan-dalana ataon’izy ireo.

Io fihaonam-be io no vahaolana  ahafahana manarina izany, araka ny fanazavany hatrany. Havoitra mandritra ny fivoriana ny paika ady hanatontosana izany toy ny fametrahana sata ifampifehezana  na fifanarahana mihitsy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.