MINISTERAN’NY HARENA ANATY RANO SY NY JONO: Mpiasa 118 noravahana mari-boninahitra.

Mpiasan’ny ministeran’ny harena anaty rano sy ny jono manerana ny faritra miisa 700 niara-nilanonana teny Ivato tamin’ny 12 janoary 2018. Fety roa sosona no niarahan’izy ireo nifety satria sady  fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018 no lanonana nandravahana mari-boninahitra ireo mpiasa 118 nahavita be tamin’ny asa. Mpiasa fito notolorana ny laharam-boninahitra “commandeur de l’ordre national”. Araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny distrika an’Ambohidratrimo  izay nanome voninahitra ny lanonana fa 27 taona niasana teo amin’ny sehatra iray no mahazo io laharam-boninahitra io. Mari-boninahi-pirenena  no omena ka manana  tombony kokoa ireo mahazo izany satria misy fiantraikany amin’ny vola raisina rehefa misotro ronono. Nambaran’ny lehiben’ny distrika hatrany fa hangatahina ny fahazoana mari-boninahi-pirenena na ho an’ny mpiasam-panjakana na  ho an’ireo miasa amin’ny orinasa tsy miankina.

Marihina fa anisany noravahana mari-boninahitra « officier de l’ordre national » ny Ministry ny harena anaty rano sy ny jono, Gilbert François. Nisy ihany koa nahazo ny  mari-boninahitra « chevalier de l’ordre national » tao anatin’izy  118 mianadahy mianaka.