METY HAHAZO RARINY IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA

Nandritra fampihaonana ireo mpisolovava roa an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy mpisolovava efatra an’ireo solombavambahoaka, tsy nanankavaly firy ny andaniny. Marihina fa anton-javatra fito ny fiampangana ataon’ireo solombavambahoaka 121 an’i filoha Hery Rajaonarimampianina. Anisan’izany ny tsy fametrahana ny fitsarana avo izay tokony 12 volana aorian’ny fianianan’ny filoham-pirenena no hatsangana, fahataran’ny fanasoniavan’ny filoham-pirenena ireo volavolan-dalana lany teny amin’ny Antenimierampirenena miisa 27,…

Tsy niditra lalina tamin’ireo fiampangana ireo ny mpisolo vava an’ny filoha am-perin’asa fa ny niampanga ireo solombavambahoaka indray fa tsy ara-dalana ny fifidianana nataon’izy ireo. Nolazainy fa nisy manohitra fandaniana ny eny mahakasika ny fialan’i Hery Rajaonarimampianina. Nitsangana avokoa ireo solombavambahoaka ary sahy nijoro fa tsy misy an’izany. « Raha ny marina dia tsy nisy voavalin’ny mpisolo vavan’ny torina ireo fiampangana », hoy ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa. Araka izany, azo ambara fa tokony hahazo rariny tokoa ireo mpitory raha tena mijoro amin’ny maha izy azy ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana , hoy izy.

Naneho ny heviny ihany koa ity solombavambahoaka ity mahakasika ny raharaha Lanto Rakotomanga. Fihetsika mampalahelo ireny nataon’ny mpitandro filaminana ireny araka ny fanambarany. Tsy ara-dalana ny fisavana natao an’ i Lanto Rakotomavo satria tokony amin’ny 5 maraina ka hatramin’ny 7 ora hariva ihany ny fisavana. Ankoatra izany,ao anatin’ny fivoriana mihitsy izy ireo. « An-kerisetra ihany koa ny nataon’ireo miaramila satria vehivavy roa ve no amakiana fitaratra sy anampoahana baomba mandatsa-dranomaso », hoy hatrany izy.

Misy milaza fa heloka be vava no antony nisavana an’i Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga. Araka ny lalana, tsy heloka be vava izany no nataon’ity farany satria tsy niseho teo ho eo ny fandikan-dalana, tsy tratra nangalatra na teo am-panaovana ny asa ratsy izy. Nambarany ihany koa fa mitaky ny ialan’ny Jeneraly Florens RAKOTOMAHANINA ireo solombavambahoaka.

Lynda A.