MAGRO TANJOMBATO: “Ny Malagasy aloha no voaloha-daharana amin’ny orinasa”.

Lanonana roa sosona no nankalazaina teny amin’ny Magro Tanjombato. Feno 67 taona ny Filoha Marc RAVALOMANANA ny 12 desambra 2016. Tao anatin’izany no nohararaotina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy tranom-barotra AAA Magro Tanjombato.

Nampiseho ny heriny ny vondrona TIKO. Miranty eny an-toerana avokoa ireo vokatra nahafantarana azy hatramin’izay. Ny rano fisotro sy ny zava-pisotro, ny dibera, ny yaourt, ny menaka…

Na dia misy aza ny lalan’ny fifaninana eo sehatry varotra, natao amin’ny vidiny mirary ho zakan’ny mpanjifa  ny vokatra TIKO. “ Ny Malagasy aloha no voaloha-daharana amin’ny orinasa. Noho izany, na dia tsara kalitao azan y vokatra dia natao ho takatry ny fahefa-mividy ny tsirairay izany”, hoy i Marc RAVALOMANANA.

Nanamafy ihany koa ny tenany fa  ny fanomezana lanja ny vita Malagasy no tokony atao laharam-pamehana mihoatra ny vokatra avy any ivelany.