MADA JEUNE – SALON DES ÉTUDES INTERNATIONALES: Mampahafantatra ireo vatsim-pianarana omen’ireo oniversite any ivelany

Mitombo isan-taona ny  mpianatra mahazo vatsim-pianarana mankany Turquie, avy amin’ny Fondation MAARIF International. Tafiakatra 110.000 izany ny taona 2023 raha toa ka 40.000 ny taona 2012. Mpianatra Malagasy ny enina tamin’ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana tamin’ny herintaona ireo. Ampahafantarina mandritra ny Salon des études internationales ireo vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra te hanohy fianarana any ivelany, tahaka ity any Turquie ity. Nanomboka androany 6 martsa 2024, eny amin’ny Novotel Ivandry Alarobia ny hetsika. Mbola mitohy ny alakamisy 7 martsa 2024 izany. Trano heva 20 ahitana Oniveriste avy any ivelany sy eto antoerana mandray mpianatra hanohy fianarana any ivelany sy  ivontoerana mandray an-tanana ny fikarakarana ireo mpianatra te hanohy fianarana any ivelany no mandray anjara. Mandray na mandefa mpianatra any amin’ny  firenena maro toa an’i Frantsa, Etazonia, Canada, Inde, Turquie…ireo mpampiranty ireo. « Mila fiomanana ny fanohizana fianarana any ivelany. Farafahakeliny enim-bolana », hoy i Rajaonah Haingo, Tomponandraikitra avy ao amin’ny Mada Jeune. 5000 Ariary ny vidim-pidirana amin’ny Salon.

Ankoatra ny fampirantiana dia misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra hanoroana ireo mpianatra ny fomba isafidianana ireo oniversite, ny dingana rehetra tokony atao, toy ny fikarakarana ny antontan-taratasy, fitadiavana ny trano ipetrahana…ary ireo vatsim-pianarana misy.

Nampahafantatra ny tombontsoa amin’ny fanohizana ny fianarana any Turquie ohatra ny Fondation MAARIF International, nandritra ny andro voalohany, 6 martsa 2024. « Mora kokoa ny saram-pianarana, ny vidim-piainana any Turquie raha oharina amin’ireo firenen-kafa toa an’i Eraopa, Canada », araka ny fanazavan’i Andriamisaina Maeva, mpianatra Malagasy efa nanohy ny fianarany tany Turquie. Manana ivontoerana  manampy ireo mpianatra te hanohy fianarana any Turquie ny  MAARIF International. Firenena 50 no ahitana azy ary anisany manana ratsa-mangaikany eto Madagasikara, eny Talatamaty. Ivon-toeram-pampianarana 465 no miaramiasa aminy ary ahitana lalam-piofanana 60.  Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra avy amin’ny firenen-kafa ny fondation. Ny volana febroary sy martsa ny fisokafany fandefasana antontan-taratasy momba izany.

Lynda A.