Lalatiana Rakotondrazafy: Roso ny dia, tsy mipody koa .

Hipoka tanteraka ny kianjan’Antsonjombe tamin’ny fampisehoana nokarakarain’ny fikambanana Freedom tarihin’ i Lalatiana Rakotondrazafy, kandida Ben’ny Tanana an’Antananarivo Renivohitra, laharana faha-09 ao amin’ny bileta tokanan ny alahady teo. Mpanakanto efatra ambin’ny folo , toy i Raboussa, Lianah, Martiora freedom, Ramora favori, Rossy,…no nanafana ny lanonana mandra-paharivan’ny andro. Nanotrona izany ihany koa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina izay sady mpanohana ny kandida Freedom rahateo. Nifanitsa-kitro ny mpijery fety tamin’io fotoana io. Raha toa ireny tahan’ny  fahavitrihana hifidy an’i Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny 31 jolay, dia handrobaka ny  voalohany izy.

Ny fanadiovana ny tanana no tena laharam-pamehana ao amin’ny fandaharan’asa ny kandida tsirairay. Efa vonona amin’izany ny kandida laharana faha-09 eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hahodina ho lasa angovo hanome herinaratra ny tanana ny fako ary efa misy manam-pahaizana hiara-hiasa aminy rehefa lany Ben’ny Tanana eo izy. « Ialana ny fahatapahan-jiro lava izany », hoy izy.

Boriborintany  voalohany. »Roso ny dia, tsy mipody koa ».  Nambarany tamin’ny mponina ao amin’ny fokontany Manarintsoa Isotry  fa ho azony  ny fandresena afaka andro vitsy monja. Nampanantena  izy fa hamaha ny olana mpahazo io tanana io. « Afaka roa volana dia tsy hanainga jipo intsony ny vahoaka ». Rehefa avy mantsy ny orana, dibon-drano tanteraka iny toerana iny. Ao anatin’ny fandaharan’asany ihany koa ny fanomezana rano fisotro madio. Nanome toky izy fa hataon’ny kaominina amin’ny vidiny mirary ny saran’ny rano raha lany Ben’ny Tanana eo izy.

Hijery akaiky ny mponina eny  Namontana. Toerana misy ny onja-peo Free FM sady tanana fanaovan’ny fikambanana Freedom asa soa eny amin’ny faritra Namontana. Hitohy hatrany izany rehefa mitantana eo ity kandida laharana faha-09 ity, araka ny fanambarany nandritra ny fitsidihany ny boriboritany faha efatra.

Ankatoky ny famaranana ny fampielezan-kevitra. Namory ny vahoakan’Anosisoa,  i Lalatiana androany. Ny fahatapahan-jiro no tena olana eny amin’iny boriboritany fahaenina iny. Hiady ho an’izany ny tenany. Nanentana ny vahoaka koa izy hifidy amin’ ny zoma ho avy izao sy hanara-maso ny fizotran’ ny fifidianana.

Faradoboka. Eny amin’ny kianjan’ny kanto  Mahamasina no hamaranany ny fampielezan-kevitra.

Lynda A.