LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Niniana tamin’ny vahoaka fa tsy hanao kolikoly.

Nitety ny boriboritany faharoa  indray ny kandida Ben’ny Tanana an’Antanarivo, , Laharana faha-09, Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Nandresy lahatra ny mponina Ambanidia handrotsaka ny laharana faha-09 amin’ny fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay izy sy ny ekipan’ny ny alakamisy lasa teo. Nampafantatra ny fandaharana asany raha tonga eo amin’ny fitondrana ihany koa izy.

Voateny ao anatin’ny fandaharan’asa ny kandida Ben’ny tanana  eto Antananarivo renivohitra  rehetra ny fanamboarana ny lalana sy ny lalan-kely, ny fanomezana rano fisotro madio, tsena,…

Ho an’i Lalatiana Rakotondrazafy manokana dia hefainy ny vidin-drano eo amin’ny fokontany Ambanidia volosarika izay tsy voaloa an-taonany maro rehefa lany eo izy. Araka ny resaka mandeha, misy milaza fa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ity kandida ity dia horavana ny tsena eny an-toerana. Vao maika aza nohamafisiny fa hanamboatra tsena vaovao izy.

Tanora vao erotrerony raha i Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy midika anefa izany fa hanao tsinontsinona ny zokiolona izy rehefa Ben’ny tanana. « Hamerina ny hasin’ny zokiolona aza no ataoko », hoy izy.

Hisy ny fampisehoana goavana karakarain’ity kandida amin’ny alahady 26 jolay eny amin’ny kianjan’Antsonjombe. Mpanakanto maro toy i Rossy, Tsiliva, Princio, Martiora Feedom,….no ho avy hanafana izany.

Lynda A.