KOHEN RIVOLALA: “Tsy mitombona avokoa ny fiampangana azy”

“Fanosoram-potaka ny  finoana hebraika jodaisma mesianika ny fanamelohana an’i  Kohen Rivolala”, hoy Ogino SHAMIRAY . Raharaha ambalavelona  no niampangana azy tany amin’ny faritra Miandrivazo . Araka ny fanazavana,  fifandrifian-javatra  no tena nitranga ka ny lehiben’izy ireo no nolazaina fa nanao izany. Nomarihan’i  SHAMIRAY  fa “ tsy zava-baovao ny ambalavelona fa efa nisy hatrizay kanefa lazaina fa i Kohen no fototry izany. Mahagaga ihany koa fa mirongatra hatrany izy ity na dia efa any am-ponja aza izy”. Manoloana izany,  namory ny mpanao gazety  ireo mpanara-dia an’i Kohen Rivolala ka nanao fanambarana fa “tsy mitombona avokoa ny fiampangana ny lehiben’izy ireo”.

Manaporofo izany ny fanambaran’ilay mopera nalaina am-bavany izay  tomponandraikitra ao amin’ilay sekoly nitrangan’ny aretina  fa nianatra momban’ny “exorcisme” sy “idolatrisme” na “fanompoan-tsampy” izy. “Mametraka fanontaniana izahay hoe: iza no tokony ho meloka?  Misy adim-pinoana ihany ny ambadiky izao raharaha izao,araka ny hevitray ”.

Manaraka izany, manana fomba fijery hafa mihitsy ireo mpikambana ao amin’ity fivavahana ity satria nambaran’izy ireo fa “fandotoana  an’i Kohen izao noho izy hilatsaka kandida ho  Filoham-pirenena amin’ny taona 2018”.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana  izy ireo mba hanafaingana ny fitsarana an’i Kohen Rivolala amin’ny ambaratonga manaraka.

Lynda A.