KOHEN RIVOLALA: Nitety fonja telo nandritra ny enim-bolana sy tapany.

Afaka madiodio tamin’ny raharaha ambalavelona i Kohen Rivolala, mpitarika ny fivavahana hebraika Jodaisma. Nandalo fonja telo izy nandritra izay enim-bolana sy tapany izany. Tao amin’ny fonjan’ny Miandrivazo no nigadra voalohany , nafindra tany Fianarantsoa ary tao Toliara, fitsarana ambony  namoaka ny didy famoahana azy. Tsy niandry akory ny tenany fa tonga  dia nanao fanambarana avy hatrany.

Nambarany fa tsy izy velively no fototry ny ambalavelona nitranga tao Miandrivazo. “Mahagaga aza fa arakaraka ny nisamborana azy dia vao maika nirongatra  io aretina io”, hoy izy. Manaporofo izany ihany koa ny daty nandalovany tany Miandrivazo sy niatombohan’ny ambalavelona. 22 oktobra no nitranga ilay aretina, ny 12 oktobra kosa izy ireo vao nandalo.

Efa fiampangana te hamotika fotsiny ireny natao ireny. Nohamafisiny mihitsy fa fialonana no nampidirana azy tany am-ponja.

Tsy maintsy sorona vao fongotra ny ambalavelona. Taorian’ny  nivoahan’i Kohen ny fonja dia nanao sorona izy sy ny ireo mpiara-dia aminy. Nanao fanamby mihitsy ireto farany fa hitsahatra amin’izay io aretina io noho ilay sorona natao.