Kaominina AMPITATAFIKA : Taona 2014, Tratra 100% ny tanjona

Taom-pandresena ny taona 2014 ho an’ny Kaominina Ampitatafika. Maro ireo foto-drafitra asa vita na dia ny 5 millions d’Ariary amin’ny 12 millions d’Ariary amin’ny tetibolam-panjakana  aza no mbola azo. Ny fahavitan’ny  lalana mirefy  4km, ny tsena vaovao  misy rihana eny an-toerana  dia manamporofo fa mandroso ny kaominina.Manamarina izany fandresena izany ihany koa ny fitomboan’ny tokantrano voarakitry ny jiro miisa 44. Ireo no vita dia vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Vola mitentina  900 millions d’Ariary no azo tamin’izany.

Tratra tokoa ny tanjona napetraky ny kaominina tamin’ity taona ity satria efa voaefa ny volan’ny CNAPS izay tokony ho amin’ny volana janoary 2015 no haloa. Etsy andaniny,  voaloa ihany koa ny karaman’ny mpiasa  « 13ème mois ».

Nomena  1 milloins d’Ariary  ihany koa ny fokontany 13 ho fampandrosoana  sy hanatanterahana ny tetikasa isam-pokontany.

Anisany nahazo  solosaina  roa miaraka amin’ny kojakojany tany amin’ny  « Ile de La Réunion » amin’ireo kaominina 10 eto Madagasikara nykaominina Ampitatafika . Efa misy « connexion internet » ary entina hanatsarana ny fizotry ny asa eny anivon’ny birao izay rehetra izany.

 Mikasika ny fadriampahalemana indray, hita fa mihatsara vokatry ny fiarahamiasa amin’ny zandary eny an-toerana.

Taona 2015. Efa vonona hiatrika ny taona 2015 sahady ny kaominina satria dia hitady famatsiam-bola avo roa heny ny tetibolam-panjakana . Efa maro ihany koa ny tetikasa voavina.

Marihina fa mbola  vonona hilatsaka ho fidiana Ben’ny Tanana hatrany ny Ben’ny Tanana amperinasa ,Atoa  Rado RAMPARAOELINA.

Lynda A.