KANDIDA RASOAMIARAMANANA GODDEFRIN: Misokatra ny QG handraisana ny hetahetan’ny mponin’Ivato

Milaza ny kandida ho ben’ny tanàna Rasoamiaramanana Goddefrin  fa latsaka an-katerena tanteraka ny kaominina Ivato. “Nefa tamin’izaho niala ho ben’ny tanàna  dia anisany laharana fahatelo manerana an’i Madagasikara ny kaominina izay notantaniko”, hoy izy. Nambarany  fa “mila alamina ny tanàna fa maloto, tsy mandeha amin’ny laoniny kanefa vavahadin’i Madagasikara noho ny fisian’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena”.  Vao tsy ela akory izay fa nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny tanàna ny tenany sy ny IRK (Isika Rehetra miaraka amin’ny Kaominina) Ivato  ary ny KMG (Komity mpanohana an’i Goddefrin). Efa ho 12 kamiao ny fako notaterina, araka ny fanazavany. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana an’ Ivato  indrindra no antony nilatsahany ho fidiana ben’ny tanàna. Teny filamatra entin’ity kandida natolotry ny vovonana IRK  izay manohana ny fitondrana ankehitriny rahateo ny hoe: “Ivato miarina, Ivato vaovao”.

Ankoatra ny fandaminana ny tanàna dia ao anatin’ny fandaharan’asan’ny  kandida Rasoamiaramanana Goddefrin ny fampihenana ny fandaniana ataon’ny ray aman-dreny rehefa mampiditra mpianatra. Manana tanjona ny hampiditra ny zaza Malagasy rehetra monina ao Ivato izy ka ny  fampitomboana ny efitranon-tsekoly no paikady hirosoana amin’izany. “Rehefa  betsaka ny zaza miditra an-tsekoly dia mihena ny vola aloa”, araka ny heviny. Mampatsiahy ny kandida laharana faharoa amin’ny bileta tokana  fa mahalala ny fahasahiranan’ny mponina. Vain-dohandraharaha ho azy ny lafiny fampianarana. Efa nitondra ny anjara birikiny sahady ny tenany tamin’ny fanohanana ireo mpanala fanadinam-panjakana farany teo. “Efa-bolana talohan’ny fanadinam-panjakana dia nanao hetsika izahay, nanome sakafo sy nampanao “cours” ireo mpanala fanadinana. Niakatra kely ny taham-pahafahana”. Mbola vonona ny handray ny hetahetan’ny mponin’Ivato ny  kandida Goddefrin. Ho fandraisana izany dia nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 19 oktobra 2019 ny QG (Quartier Général). Ny maso mahita ihany no tsy mba mamitaka.

Lynda A.