KANDIDA BEN’ NY TANANA ANTANANARIVO : Harilala RAMANANTSOA mifototra amin’ ny fokonolona ny fandaharan’ asany.

Hitondra paik’ ady tsotra nefa mahomby mba hanana tanana mendrika i Harilala RAMANANTSOA kandida ho ben’ ny tanan’ Antananarivo. Miainga amin’ ny fokonolona ny fomba entiny miasa satria izy ireo no eny ifotony ka mahalala ny maika sy ny zava-dehibe momban’ ny fokontaniny. Tsy misy hafa tsy ny vokatra mivantana amin’ ny mponina no katsahiny noho izany, tanàna tsara tantana mikatsaka ny tombotsoan’ ny mponina no atao. Alohan’ izany rehetra izany anefa ny ara-dalana.

Vonona izy noho izany hitondra paik’ ady tsotra nefa mahomby hanan’ Antananarivo tanàna mendrika. Maro ireo tetik’ asany niainga avy amin’ ireo olan’ ny mponina. Voakasiky ny tetik’ asany avokoa ireo sehatr’ asa rehetra, toy ny fananganana foto-drafitr’ asa, eo amin’ ny lafiny fandriam-pahalemana, ny fifamoivoizana. Nandritra ny fihainoany ireo olan’ ny mponina , ho jereny manokana ireo tanora amin’ ny maha mpandraharaha an’ i Kandidà Harilala RAMANANTSOA ( MADAVISION ) .

Hiverina hihaona amin’ ireo mponina eny ifotony izy hahafantaran’ izy ireo ny fandaharan’ asany. Zava-dehibe ho azy sady ho entiny hanaovana ny fampielezan-keviny ny mihaona sy miresaka mivantana amin’ ireo mponina.

Marihana fa fotoam-pivavahana niaraka tamin’ ireo mpiara-miasa aminy no nanombohany ny fampielezan-keviny androany tetsy Faravohitra.

Lynda A.