INTELLIGENCE ARTIFICIELLE (IA): Azo ampiasaina amin’ny fambolena, mitily ireo aretina mpahazo ny voly

Manam-pahaizana ny tanora Malagasy. Iray volana monja no namoronana an’i « Green Gardian », « robot » natao hitily ireo aretina mpahazo ny voly. Alefa mandeha eny an-tanimboly na ampanidinana ampiasaina amin’ny alalan’ny « drone » izy. Haingana dia haingana no ahafafantarany fa azon’aretina ilay voly, tsy vitan’izay fa fantany hatramin’ny karazana aretina mahazo azy. Manampy ny mpamboly ahafantatra ny maripana, ny tahan’ny hamandoan’ny tany (pH) mba ahafantarana ny  kalitaon’ny tsiron’ny tany i Green Gardian.  » Raha manana tany 6000 hektara ianao dia sarotra no hijery ireo aretina mahazo ny voly. Raha tsy efa miakatra ny vokatra, efa matiantoka vao mahafantatra fa azon’aretina ny voly. Raha mampiasa an’i Green Gardian anefa dia vetivety dia hitany aretina mahazo ilay voly. Manaramaso ny fivoaran’ny zavatra mitranga eny an-tanimboly ihany koa izy. Mamoaka antontan’isa momba ny hamandoan’ny tany, ny maripana. Lasa manana antontan’isa ahafahana mampitaha ny vokatra azo ny mpamboly. Fantatra ny fotoana tsara ambolena satria fantatra ny hatsaran’ny  kalitaon’ny tany », hoy i Rambeloson Tiavina, mpianatra mandranto ny eletronika eny amin’ny Polytechnique Vontovorona. Ampirantiana eny amin’ny  foara iraisampirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana ary jono (FIA), andiany fahadimy ity tetikasa ity. Nanomboka ny 21 septambra ary hifarana ny 24 septambra 2023, eny amin’ny Hazovato Expo Forello Tanjombato ny FIA.

Tanora Malagasy efatra mirahalahy no nanamboatra i an’i Green Gardian.  Mpianatra avy eny amin’ny Polytechnique Vontovorona i Rambeloson Tiavina, Rafanomezantsoa Pierrot, Mamiatiana ary Mandresy. Taona fahatelo, ao amin’ny lalam-piofanana elektronika ny roalahy voalohany ary taona fahefatra mianatra momba ny « génie mécanique » ny roalahy farany. Tsy nionona tamin’ny fahalalana azony tany ampianarana izy ireo fa nikaroka. Nampiharin’izy ireo ny fahaizany ka izao nahavitana an’i Green Gardian izao. Fitambarana teknolojia toy ny robotique, Intelligence Artificielle ary « capteur » ny teknika no nanamboarana azy. Nampianarina  hahafantatra ireo aretina mpahazo ny voly io « robot » io. Nampidirina tao aminy ny fahalalana rehetra momba izany. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny « Intelligence Artificielle » (IA) no nahafahahana nanao izany. Fantatra fa fitambarana teknika sy « théorie » hananganana fitaovana iray hanana fahaizana tahaka ny olombelona ny « IA ». Ny taranja kajy sy siansa momba fahalalana (sciences  cognitives) no tena ampiasaina rehefa hikirakira IA.

Lynda A.