HOMAMIADANAN’NY NONO: Azo sitranina tsara raha…

Ambony ny taham-pahasitranana, ambany ny taham-pahafatesana. Bevohoka i Maman’i Raozy (solon’anarana nampitondraina azy ho fanajana ny safidny ny fianakaviana) kanefa voan’ny homamadian’ny nono. Kambana ny zaza ao an-kibony araka fizahana nataony tao Befelatanana. Renim-pianakaviana 40 taona izy. Efa ho herintaona no narary, fa tsy  nahatsapa narary mihitsy talohan’izay. Efa nanomboka sempotra i Maman’i Raozy vao nanatona mpitsabo. Niafara tamin’ny fampidirana azy hopitaly izany ny volana mey 2022. Tao amin’ny hopitaly  Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Anosy izy no notsaboana. Nanao antso vonjy tao amin’ny  tambazotran-tserasera  ny fianakaviana fa tsy ampy ny enti-manana amin’ny fitsaboana toy ny fanafody hohanina isan’andro,  fanaovana « scanner » miisa 4, izay mitentina 400.000 Ariary ny fanafody hanaovana ny iray. Teraka soamatsara izy saingy indrisy fa namoy ny ainy ny volana janoary 2023, araka ny filazany ny vadiny. Aorian’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà dia aretina faharoa mahafaty eto Madagasikara  ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny 50 % ny homamiadana tsaboana eny amin’ny hopitalim-panjakana, araka ny tatitra navoakan’ny Universcience. Homamiadan’ny nono ny 33,3  %  amin’io tarehimarika io. 23.000 ny vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono ny taona 2019, raha ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. 40 taona eo ny salan-taonan’ny vehivavy mitondra ny homamiadana saingy efa misy latsaky ny 30 taona izany, raha ny marary  raisin’i Dr Raherimanantsoa Anna na i Loloniala, mpitsabo nandalina ny fitsaboana amin’ny ankapobeny sy fitsaboana ala-nenina. Nanamafy izany ihany koa i  ramatoa Matoky (solon’anarana nomena satria nisafidy ny tsy  ho tononina ny tena anarany), 60 taona, nilahatra nanao « radiothérapie » tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka, ny volana desambra 2022 fa izy irery no voan’ny homamiadanan’ny rà (lymphome) tamin’ireo vehivavy niara-nilahatra taminy. Voan’ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranon-jaza ny enina hafa ary mbola misy  tovovavy kely, mbola mpianatra, araka ny fanazavany.

Fitiliana maimaim-poana

Dr Raherimanantsoa Anna

Manaranaka ny homamiadan’ny nono. « Mila mailo, manao fitiliana raha toa ka misy fianakaviana efa voan’ny homamiadana tany aloha », hoy i hatrany i Dr  Loloniala, teratany malagasy, monina atsy La Réunion izy fa manaramaso marary eto Madagasikara. Tonga teto Madagasikara ny tenany ary nikarakara hetsika izy, ny 23 novambra 2023, entina hanazavana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, ny fitrangany, ny fisorohana azy, ny fomba iadiana aminy,  teknika hitsaboana azy ara-medikaly sy natoraly, ny fikoloana ny vatana na dia mitondra ny homamiadana sy ny tantsoroka ara-tsaina. Nohazavaina tamin’izany fa anisany mahatonga ny homamiadan’ny nono ny fisotroana alikaola, fifohana sigara, fitaniana andro be loatra, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, akora simika (fanafody famonoana bibikely amin’ny voly), ny fisakafoanana anaty vilia plastika, araka ny fanazavany. Mila mailo  hoy izy raha misy fiovàna ny habean’ny nono na misy fivontosana hafahafa na ahitana atody tarina (ganglion) ao amin’ny tenda, helika, kibo, foto-pe… Mila manatona mpitsabo raha misy rà mandeha, miova lokon’ny hoditry ny nono. Manampy amin’ny fahafantarana ny homamiadana ihany koa ny fanaovana « mammographie ». Manodidina ny 90.000 ka 150.000 Ariary ny sarany. Manao fitiliana maimaim-poana ny Fondation Akbaraly  isaky ny October rose, volana natokana ho an’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono. Ankoatra ireo ivon-toeram-pitsaboana miara-miasa aminy dia mitety ireo toerana saron-dalana, manomboka eto Antananarivo, Fianarantsoa, faritra Atsinanana, Mahajanga… amin’ny  alalan’ny «  unité mobile » ny  fikambanana. Ahitana fitaovana fitiliana momba ny homamiadan’ny nono sy  vozon’ny tranon-jaza toy « mammograghe numérisé », « échographe »,  « colposcope »,  ary « écran » lehibe hanaovana fanentanana io fiara tsy mataho-dalana io. Tafiakatra 230.000 ny isan’ny vehivavy voatily sy  nahazo fanentanana, tao anatin’ny 10 taona niasany. Mitondra homamiadan’ny nono ny 14 % (32.000) amin’ireo voatily fa manana vintana ho avotra kosa ny 95 % amin’izy ireo. « Ny fisorohana no fitsaboana tsara indrindra. Ho resy ny homamiadana mpahazo ny vehivavy raha voatily mialoha. Eritrereto hoe mandany 10 minitra monja  manao fitiliana dia afaka mamonjy aina », hoy i Dr Francesco Cimino, Tale mpanatanteraky ny Fondation Akbaraly, nandritra ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny  hetsika October rose 2023, ny 21 novambra. Raha atambatra, 37.000 ny vehivavy  voatily sy nahazo fanentanana tamin’ity taona ity.

Azo sitranina

Aorian’ny fitiliana dia mila manao échographie fa indrindra ny biopsie ny vehivavy iray mba hamaritana ny selan’ny homamiadana, ny “stade”misy ilay homamiadana – na mbola atody tarina  na efa tranga fahasarotana (métastase)- mba hamaritana ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. « Azo sitranina tsara ny homamiadana raha mbola vao miatomboka, voatily mialoha ary tsy mbola mihanaka. Ny fandidiana no isorohana azy voalohany tsy hiparitaka », hoy i Dr Loloniala. Misy karazany maro ny fitsaboana ny homamiadan’ny nono  ary mifameno ireo, raha ny fanazavany.  Ankoatra ny fandidiana dia anatin’ny fitsaboana medikaly ny « chimiothérapie  », « radiothérapie », « immunothérapie », « hormonothérapie ». Miteraka vokatra tsy iriana ireo fitsaboana ireo. Rehefa avy manao « chimiothérapie » ohatra dia  mety hihena ny hery fiarovana, reraka , maloiloy sy mandoa, marefo ny hoditra na mety ho may mihitsy. Manampy amin’ny fiatrehana izany ny fitsaboana natoraly. Mamokatra fanafody ahafahan’ny olona miatrika , misoroka sy mitsabo  ny homamiadana ny Vaniala, ivon-toerana mpamokatra fanafody natoraly avy amin’ny zava-maniry. « Manana fanafody izahay mampiakatra ny hery fiarovana ahafahana miady ilay aretina, indrinda amin’ny dingana voalohany. Marihana fa afaka ampiasaina miaraka amin’ny fitsaboana medikaly, tsy misy réaction fa mila manantona dokotera. Manana soins de confort ihany koa izahay ho an’ny olona avy nanao chimiothérapie  ka lasa be raritsaina,  vizambizana », hoy i Dr Razafindratrimo Aina. Tsy maintsy fehezina ihany koa ny aditsaina rehefa mararin’ny homamadiana ka eto no miasa ny fitsaboana ara-tsaina. « Mila manao izay mahafinaritra, tsy mihaino vavan’olona, ny laharam-pamehana no atao », hoy i Dr Loloniala Anna. Manampy ny marary sy ny fianakaviany ihany koa ny fanatonana ireny « coach » manome tantsoroka ara-tsaina ireny. « Be dia be ny olona no tsy manaiky fa voan’ny homamiadana ka mila tantsoroka vao manaiky. Mafy be ilay ady, midina  ny moraly,  ny fianakaviana manomboka efa leo, kivy ny marary, mety efa manaraka fitsaboana alanenina sisa.  Manampy ny marary hiatrika ny aretina no ataonay, mampianatra azy  sy ny fianakaviana ho tony. Mampianatra azy hamorona fiainana vaovao », hoy i Ranoarivony Seheno Noussyh, « coach et accompagnante en neurosciences ». Raha ny fanadihadiana natao, efa mihanaka ny aretina vao manatona mpitsabo ny olona noho ny tahotra, tsy fahampian’ny enti-manana hany ka manao dokotera tena na mampiasa fanafody natoraly izay vao maika hampihombo ny aretina.

Lynda A/Ra-Nirina