HOLAFITRY NY DOKOTERA ANALAMANGA: Miady amin’ny fisolokiana ho dokotera.

Fanaon’ny Holafi-paritry ny Dokotera miasa eto Analamanga ny manao fivoriana isan-taona. Tamin’ity taona ity, ny “ hajan’ny  asan’ny dokotera” no lohahevitra noraisina. Nambaran’ny Filohan’ny holafitra rejionaly ny dokotera Analamanga, Dr Lalaina RAKOTONIAINA fa saro-pady ny asan’ny dokotera. Manoloana ireo olona milaza ho dokotera kanefa tsy nianatra momba izany ka mitsabo olona dia nosokajian’ny holafitra ho mpisoloky. Noho izany, miaro ny asan’izy ireo ny mpikambana ao anatin’ny holafitra izay miisa 2000 ary miezaka miady amin’ny fisolokiana. 

Anisany mampitombo ny olona misandoka ho mpitsabo ny fivoaran’ny teknolojia. Ny famokarana fitaovana azo ampiasan’ny rehetra na tsy dokotera  aza no mahatonga izany. Noresahana  nandritry ny fihaonam-ben’ny dokotera miasa manodidina ny faritra Analamanga, ny 21 jolay lasa teo izany. Teo ihany koa ny fifampizarana traikefa sy fampahafantarana ireo fitaovana izay tsy afaka mampiasa azy ireo afa-tsy ny dokotera, nandia fianarana momba ny fitsaboana ihany. Tamin’io fotoana no nampahafantaran’ny CE.FER.MAD na “Centre de Fertilité de Madagascar” ny fitsaboana mampiavaka azy.  Toeram-pitsaboana mandray ireo mpivady manana olana amin’ny tsy fananan-jaza no tena ataony. Tsy manan-kery intsony  ny tsy fahazoana taranaka amin’ny CE.FER.MAD. “Noho ny fandrosoana dia azo atao tsara ny mampitoe-jaza vehivavy iray izay lazaina fa momba na tsy miteraka intsony”, hoy i Dr RAKOTOBE Andriamaro.