Harilala Ramanantsoa: Nosafidiany manokana ny tanora hiara-hiasa aminy.

Iza moa i Harilala Ramanantsoa? Mpikarakara hetsika ao amin’ny Mada vision no ahafantarany ny besinimaro azy.

Vehivavy feno vinavina sy fasahiana izy. Tao anatin’ ny 16 taona dia olona mihoatra ny 1.500.000 no nahazo tombony tamin’ ny hetsika maro nokarakarain’ny orinasany. Vao 24 taona monja izy no nananganany orinasa niainga avy amin’ izay teo ampelan-tanany. Nihitatra sy nitombo ny asa nilofosany ka ankehitriny dia orinasa telo no ao anatin’ ny vondrona Madavision. Noho izany , olona 400 manerana ny nosy no manana asa fivelomana maharitra sy mampivarotra ao amin’ ny Madavision. 40 taona i Harilala RAMANANTSOA, vehivavy feno fandresen-dahatra amin’ izay ataony rehetra . Telo mianadahy ny zanany.

Hatramin’izay nidirany teo amin’ny sehatry ny fandraharahana, tanora no ankamaroan’ny olona niara-niasa taminy. Fitiavana sy faniriana te hizara ireo traikefa nananany no nanosika azy tamin’izany. Manaporofo izany fifampizarana traikefa sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tanoran’ny YLTP. Nantsoina ho reny mpiahy ny famohana mpianatra tamin’ireo sekoly, toy ny UCM, ESCA, ISCAM, GSI, Saint François Xavier, Marie Manjaka. Niara-niasa tamin’ny fikambanana Sembana mijoro ihany koa izy.

Amin’ny maha reny sy vehivavy mpandraharaha azy, mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha EFOI ihany koa izy.

Manakaiky ny tanora bebe kokoa i Harilala Ramanantsoa. Anisany namporisika azy hanampy ny mpilalao baolina kitra sy baolina lavalava tamin’ny fampitaovana izany.

Tsy nijanona hatreo ny fampiroboroboany ny fahaizany sy ny fomba fitantanana fa nanaraka fiofanana niaraka tamin’ny fikambanan’ny vehivavy Ben’ny tanana eto Afrika izy roa taona lasa izay.

Lynda A.