GSDM: Voly rakotra, mamerina indray ny tsiron’ny tany.

Nohevirin’ny olona fa vahaolana amin’ny fambolena ny doro tanety. Marina fa manamora kokoa ny fambolena sy ahazoana vokatra ihany ny fanaovana izany saingy misy loza ateraky ny fampiharana azy. Mora kaon’ny riaka sy manimba ny nofon-tany ny doro tanety.

Ny fambolena no foto-piveloman’ny ankamaroan’ny tantsaha. Misedra olana anefa izy ireo aty aoriana vokatr’izany, ngazana ny tanety, dibo-drano indray eny amin’ny toerana iva, eo ihany koa voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetra andro,….. Hanampiana ireo tantsaha, nisy ny tetikasa hanarenana izany rehetra izany niaraka tamin’ny Minisiteran’ny fambolena. Ny BAD no namatsy vola ny tetikasa ary ny GSDM. Ity farany no nisahana ny fampiofanana ireo tantsaha ary ireo vita fiofanana kosa no manofana ireo tantsaha namany . Ny faritra tapany Andrefan’i Vakinakaratra no nisantarana ity tetikasa ity.

Ny fampiasana voly rakotra no vahaolana hitan’ny Minisitera hampiroboroboana ny fambolena eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary indrindra hanatsarana ny nofon-tany. Fambolena zava-maniry mampiakatra haingana ny tsiro tany ity teknika ity. Ny « stylosanthes » no ampiasaina amin’izany. Tsy vitany hoe manatsara ny tany ny famboleana azy ity fa mamono ilay zava-maniry antsoina hoe: « striga » na « arema » izay fahavalon’ny fambolena tanteraka. Hambolena ny « stylosanthes » ary hosena amin’ny fitaovana, toy ny « rouleau », avela eo ireo tapatapakahitra ho lasa zezika. Afaka roa tao eo dia afaka ambolena amin’izay ny tany ary tsy mila asaina intsony.

Marihina fa ny voly an-tanety no tena ampiharana ity teknika ity. Nankalazaina ny 26 sy 27 ny andron’ny « agroécologie », ary teto Antsirabe no nanatanterahana izany. Nitsidika ireo toerana nanatontosana ny tetikasa sy nijery ny vokatra tamin’izany ireo delegasionan’ny Minisitera tompon’andraikitra niaraka tamin’ny solontenan’ny BAD. Tratra ny tanjona ho an’ity tetikasa iray ity satria nahitam-bokatra tokoa ny fampiasana voly rakotra , hoy ny Minisitry ny Fambolena. Ny vary sy katsaka no tena nambolen’ny tantsaha tamin’ny fanandramana ity teknika ity. Ankoatra ny fampiasana ny « stylosanthes », mampiakatra aingana ny tsiro tany ihany koa ny hazo « acacia mangium ». Hazo mora maniry ary aingam-pitombo izy ity. Maro ireo tombontsoa azo avy aminy. « Mamerina ny tontolo ho maitso mavana, manome zezika sy tsiro ny nofon-tany ary azo hanaovana fanaka ». Nampihena ny doro tanety tamin’iny faritra Vakinakaratra iny ny fanoroana ny tantsaha hamboly azy ity,hoy ny Tale GSDM.

Tao Ivory, Kaominina Vinany no toerana lehibe indrindra nampiharana ny tetikasa voly rakotra.

Lynda A.