GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Karazan’entana maro no iharan’ny fihenam-bidy manomboka amin’ny 15

Ho arahimaso ireo vidin’entana. Mampiavaka ny Grande Braderie de Madagascar (GBM) ny fihenam-bidy amin’ireo karazana entana maro amidin’ny mpandray anjara. Ho tanterahina ny alakamisy 1 jona ka hatramin’ny alahady 4 jona2023 eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny GBM ho fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny reny. Karazan’entana maro toy ny sakafo, akanjo fitafy, lamaody, kojakojan-dakozia, kojakoja momba ny fiara sy ireo entana azo atao fanomezana ho an’ny reny no ho hita mandritra ny 4 andro. « Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy noho ny fahatsapana fa marefo dia marefo ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano dia iharan’ny fihenam-bidy manomboka amin’ny 15 % ireo entana amidin’ny mpandray anjara. Ho arahimaso sy ho tandrovana tokoa io fihenam-bidy io », hoy i Ramanantsoa Harilala, Tomponandraikitry ny Mada Vision nandritra fivoriana niarahana tamin’ireo mpandray anjara, ny alarobia 24 mey 2023 teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nanamafy izy fa anisany andrasan’ny mpankafy GBM sy nampiavaka ny hetsika hatramin’izay ny fisian’ny fihenam-bidy. Trano heva 100 no hanao varotra fampirantiana mandritra ity andiany ity.

Lynda A.