GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Afaka miantsena am-pilaminana ny mpianakavy

Rehefa fetin’ny noely sy faran’ny taona tahaka  izao dia maro ireo fianakaviana  no tsy manadino mitsidika ny « Grande Braderie de Madagascar ». Hanomboka ny alarobia 21 desambra ka hatramin’ny sabotsy 24 desambra 2022 ny « Grande Braderie de Madagascar ». Eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no hanatanterahina izany. Trano heva 150 no mandray anjara ary iharan’ny fihenam-bidy 15 % avokoa ireo entana amidy eny an-toerana. “Misy amin’ireo entana aza mihoatra ny 15 % ny fihenam-bidy”, hoy Ramanantsoa Harilala, avy ao amin’ny Mada Vision. Ho hita eny amin’ny kianja Barea avokoa ireo entana ilaina amin’ny fety toy ny sakafo, akanjo, kiraro, kilalao, kojakoja ao an-dakozia sy ny maro hafa.  Araka ny fanazavan’ny mpikarakara fa ny mampiavaka ny hetsika dia afaka miantsena am-pilaminana  ny mpianakavy. Nohamafisina ny fiambenana ary misy ny “parking” ho an’ny fiara sy kodiaran-droa. Hisokatra manomboka amin’ny 8 oramaraina ny vavahady  ary mihidy amin’ny 7 ora  hariva.

Lynda A.