GasyPlast: Namokatra fonosana vita avy amin’ny mangahazo

 

Ny Riana Nampoina RAHARIMANJATO

Taorin’ny didy aman-dalana nivoaka mandrara ny fampiasana fonosana vita amin’ny plastika, namokatra fonosana vita amin’ny mangahazo ny orinasa Gasy Plast. « Mora levona tokoa ity vokatra vaovao ity ary miaro ny tontolo iainana », hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny GasyPlast Atoa Ny Riana Nampoina RAHARIMANJATO. Ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana eo ho eo dia levona ity fonosana ity raha eny amin’ny rivotra, 10-20 andro kosa raha any anaty lakan-drano ary 10 segondra raha amin’ny hafanana 80° C. Ankoatra izany, tsy misy fofona mihitsy rehefa dorana, hoy hatrany izy. Mandray anjara amin’ny foara andiany faha folo ny FIM ity orinasa ity mandritra ny telo andro ary trano eva faha 105a sy 106b no misy azy ireo. Marihina fa eny Ambohimalaza no foiben’ny GasyPlast.

Lynda A.