FVKFM: manome ra, mamonjy aina

Manoloana ny tsy fahampian’ny tahirin-dra eny anivon’ny hopitalim-panjakana dia nikarakara hetsika, fanomezan-dra, ny vondrona iray ”groupe des hopitaux” ao amin’ny Fiangonana’ny Vondron’ny Kristianin’ny Fanahy Masina na FVKFM ny zoma lasa teo. Maro ireo namaly ny antso toy ny mpikambana eo anivon’ny fiangonana, nisy ihany koa ireo olona avy any ivelany nahatsapa fa ilaina ny fanomezan-dra. Indray mandeha isan-taona no natokana hanatanterahana  ity asa sosialy ity fa tamin’ity taona 2014  ity dia natao indroa mihataona ny hetsika noho ny tsy fahampian’ny tahirin-dra. Nandritry ny hetsika andiany  voalohany tamin’ny 21 Mars 2014 dia nahatratra fitopolo sy efa-jato (470) ireo nanome ra maimai-poana. Tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika ara-tsosialy karakarain’ny  FVKFM fa mbola misy ihany koa ny  fety ho an’ny marary izay atao eny amin’ny hopitaly HJRA ny  20 desambra 2014 hizara ireo fanomezana azo tamin’ny lalao baolina kitra  tolory Tanana. Tsy ho diso  anjara amin’izany ihany koa ny eny amin’ny fonjan’ny Antanimora araka ny namabaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny “groupe des hopitaux” FVKFM Atoa TOVOARISOA

Lynda.A