FVKFM : Manome ra an-tsitrapo ho fanampiana ny mpiara-belona.

“Tsy misy fanafody mahasolo ny ra”. Fanomezan-dra ihany no ahafahana manampy tahirin-dra fa indrindra ny mpiara-belona. “Mahavonjy ny olona eo ambavahoana ny fahafatesana ny ra, vehivavy miteraka  ka very ra be, olona manaraka fitsaboana ka mila ra no antony anaovana anay azy ity ho fanampiana ny mpiara-belona, ny namana”, hoy ny tomponandraikitry ny “Groupes des Hopitaux” ao amin’ny FVKFM, Tovo ARISOA.

Ny 04 Desambra 2015 lasa teo no nanatanterahina ny hetsika fanomezan-dra andiany faha-11 ho an’ny Fiangonan’ny Vondrona Krisitanin’ ny Fanahy Masina na FVKFM. Manodidina ny 300 teo ireo mpikambana nanolotra ra maimaim-poana tamin’io fotoana io.

Ankoatra izany, isaky ny vanim-potoanan’ny fety tahaka izao, mampifaly ireo marary , zaza  ao amin’ny hopitaly HJRA ny FVKFM. “Fanafody, sakafo, kilalao no zaraina ho azy ireo”. Manome fanafody ho an’ny Hopitaly ihany koa ity farany.

Lynda A.