FUTSAL: Hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny eto Madagasikara.

Hatramin’izay, mitovitovy  amin’ny lalao baolina kitra eny an-kianja  ihany   ny fomba filalao baolina kitra anaty efitrano ny teto amintsika. Manoloana izany, nandray fanapahan-kevitra  ny eo anivon’ny Ligue an’Analamanga  fa hohatsaraina ny “baolina kitra atao anaty efitrano” ka teraka ny fiaraha-miasa teo  amin’ny Accord  Fosa Junior  sy ny  Ligue. Mandritra ny telo eo dia hisy lalao iadiana izay ho tompondaka   an’Analamanga amin’ity lalao iray ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana  ka ireo kilioba 24 misoratra voalohany no hikatroka ny lalao.

Mialoha ny lalao,  tsy maintsy hofanina ireo mpanazatra sy ireo mpitsara mba hifanaraka amin’ny lalanan’ny lalao iraisam-pirenena amin’io taranja io . Ao anatin’ny  18 ora ny fiofanana ho an’ny  mpanazatra ary 20 ora kosa ho an’ny mpitsara. “ Ireo mpanazatra  sy mpitsara amin’ny lalao baolina kitra an-kianja  ihany no hahazo izany fiofanana  izany”, hoy Tota, Filohan’ny Ligue Analamanga, Rakotoarimanana Henintsoa.